Votsi-droa

Soamiely
5 min readDec 21, 2024

--

Kirisimasy ny andro. Kirizy mafy, hoy ny fendrofendron’ny be vazivazy. Samy sahirankiran-tsaina na i Zefa, ilay mpibata entana sy mpanao batilazy, na i Tsarahogo, ilay mpanadio trano, vadiny. Fomban’izy roa mantsy rehefa faran’ny taona toy izao ny mifanolotra fanomezana. Tena tsy nandeha mihitsy anefa ny raharaha sy ny tsena tamin’ity taona ity ka zara raha nisy azo nanimbinana sy nividianana fanomezana ny tahiry kely mba voaangona.

“Alefa ihany ve sa tsy alefa izy ity e?” hoy Ratrema, ilay mpanefoefo ao an-tanana, mantsy an’i Tsarahogo. Kizitina ery ilay rangahy, mihetraketraka. “Efa ho herinandro izay i Madama vadiko no nanantena hahita an’ilay raharaha manga, kanefa ianao toa mangataka andro lava. Aleo hijanona rehefa tsy mety fa tena tssss…”

“Alefa ka! Tena alefa mihitsy,” hoy i Tsarahogo nikorapaka namaly. “Fa izany hoe ilay izy kosa anie tombanan-dRamose mora loatra ka ohatry ny hoe matiantoka be aho e! Ahoana raha mba ampiakarina kely ny vidiny e? Sa …?”

“Rehefa tsy hivarotra ianao ry kalakely dia tsory ny resaka, fa tsy manana fotoana hiadiana varotra aminao momba an’io milina fanjairana efa soara be io aho.”

“Oadray kosa izato vavanao, Ramose! Zavatra milina Singer faran’izay raitra sy matanjaka anie io e! Tsy mbola simba mihitsy io hatramin’izay nandovako azy avy tamin’i Bebenay. Vita avy any Etazonia — made in ze USA mihitsy anie ilay izy. Mba ampio vaints, na farafahalikamatiny dimy arivo fa tsy hanenenanao izany.” Niferinaina tokoa i Tsarahogo. Anisan’ny zavatra tena tiany sy hainy ny manjaitra akanjo, kanefa noho ny fasahiranana isan-andro — na ny lamba ho zairina aza tsy nisy — dia nampirimina tao am-bata tanaty larmoara aloha ilay milina singer.

“Izay no fetrany avo indrindra hangalako azy fa raha tsy mety aminao dia aleo hidaboka e!”

“Shhh, ianao marina no tena tsy marina! Ento ho anao ary e!” Toy ny notsindromin’ny paingo-dantelina rezatra ny fon’i Tsarahogo nanaiky ilay varotra tsindrian’ila. Tena narary akory atao fa tena nilainy ilay vola vidin’ilay milina. Tsy maintsy mahazo ilay fanatitra ho an’i Zefa izy anio, na inonk’idona na inonk’itranga. “Mahasoava indrindra, Tompoko!” Nangarika kely izy, dia nampiany hoe “Veloma any amin’i Madama vadinao any o!”

Nampiriminy tsara tanatin’ilay poketrany antitra ny lelavola vitsivitsy nomen-dRatrema azy rehefa avy nisainy indroa, dia iny izy no lasa nihazakazaka namonjy an’ilay mpivarotra kasety tery ambadiky ny gara, hividy ny fanomezana efa nokasainy efa hatramin’ny ela omena an’i Zefa, ilay andefimandry malalany.

Tsy nisy andrasoandraso fa avy hatrany dia misafidy kasety dimy ny anao. Mahaleo ny roa. Lolo sy ny Tariny ny iray, Tselonina ny iray, ary Mily Clement ny kasety iray farany. Fantatr’i Tsarahogo loatra ny fitiavan’ny vadiny ireo mpanakanto ireo, ka toa efa azony an-tsaina sahady ilay io rehefa avy miasa na rehefa faran’ny herinandro migalabona eo ambony seza fakana aina mihaino ny hiran’i Bekoto sy i Dama amin’ilay radio kasetiny. Na maka plezy amin’ny Banja Malalaka an’i Mily.

Mbola nisy ambiny kely tamin’ilay vola vidin’ilay milina fanjairana ka nanara-po i Tsarahogo nividy vatoaratra maromaro izy hampandehanana ilay radio kasetin’i Zefa ary gateau-mofomamy vitsivitsy hankalazan’izy mivady noely manara-penitra. Dia iny izy nody nivimbina ireo fanomezana. Efa tsy andriny ery ny hanolorana an’i Zefa ireo cadeaux de noel, izay inoany fa tsy ho ampoiziny, sy hijery ny fihetsehampony. Mba atao surprise e!

Tery avara-bohitra indrindra kosa i Zefa tamin’izay fotoana izay. Nivahiny tao amin’i Sam, ilay metisy sinoa mpanjifa entana, mpampindrana, sy mpanjanam-bola. Nitondra ilay radio kasety kely, anisan’ny fananany tena ankafiziny indrindra. Io no fihainoany ireo fandaharana mahaliana isankarazany amin’ny radio rehefa maraina. Nanana kasety roa na telo koa izy izay fihainony taloha rehefa harivariva avy miasa iny. Tato ho ato anefa dia tsy nampiasainy firy ilay radio kasety fa lany ny vatoaratra. Ka nipetrapetraka fotsiny teo andoham-pandriana teo ilay izy. Tsy misy mihaino.

“Aza manararaotra kosa ry Sammy” hoy izy sady somary nitalaho no niangavy. “Radio kasety mandeha tsara io ve, marika Sony, sady vita Zapone — made in Japan, dia izany fotsiny no vidiny tadiavinao hivarotako azy?”

“Voalohany aleo hazava: Sam no anarako fa tsy i Sammy,” hoy ny navalin’ilay metisy Sinoa. “Faharoa, bizina no ataoko fa tsy asa fanasoavana, tombom-barotra no tadiaviko fa tsy fatiantoka. Raha tsy mety amin’ialahy ny tombam-bidiko dia io fa misokatra midanadana ny varavarana.”

“Tsy misy adivarotra azo atao mihitsy izany ato aminao. Tsy maninona fa tena ilaiko izao dia izao ilay vola, ka ento ho anao ilay maneno e!”

Dia natao ny takalo inty-sy-inday. Nalahelo mafy i Zefa, torotoro ny fony, nanolotra ilay radio, kanefa faly ihany koa nandray ny vola fa ho afaka hividy ilay fanomezana efa ela notadiaviny ho an’i Tsarahogo vadiny. Ela ny ela ka ho azony ihany ilay zavatra efa nandrandrainy.

Avy hatrany dia niroso teny amin’ilay mpivaro-damba karana tery antsimo-tsena i Zefa, nividy ilay ravin-damba tergal marevaka. Manify kanefa mateza ilay lamba ary somary lafo fa mety tsara hanjairan’ilay andefimandriny akanjo mihaja fentina mianjaika. Ohatry ny efa azony sary antsaina sahady ny hafalian’i Tsarahogo mikenokenona mamoaka ilay milina fanjairana sy ny kojakoja samihafa efa ela tsy nampiasaina avy ao anaty vata, dia manomboka manjaitra. … Misy azy ery!

Mbola nisy ambiny kely moa ny vola vidin’ilay radio kasety ka nividianany bonbon anglais sy THB tetsy amin’ilay mpivarotra enta-madinika tetsy akaikin’ny trano. Rehefa azony ireo dia iny izy nanao dia maika namonjy ny ankaniny. Efa tsy andriny ery ny hanolorana an’i Tsarahogo ireo cadeaux de noel, izay inoany fa tsy ho ampoiziny. Mba atao surprise e!

Tena tsisy nanampo na ny lahy na ny vavy fa tena surprise tokoa.

Tsiky feno hafaliana no nitsena an’i Zefa teny am-baravarana. Tsiky feno haravoana no nasetriny izany. Tsy andriny fa avy hatrany dia natolony an’i Tsarahogo ilay fonosana misy ilay lamba tergal vao novidiany.

“Avohay avy ao am-bata ilay milina fanjairana fa efa afaka manjaitra akanjo mihaja sahala amin’ny an’ireny vadin’olona mahitahita ireny amin’izay ny vadiko!” hoy ny vazivaziny. Samy nihomehy nitokelaka izy mivady. Somary sadaikatra ihany anefa I Tsarahogo, toa te hilaza zavatra fa tsy niteny.

“Sokafy indray aloha ny fanomezana ho anao e!” hoy ny vavy nony kelikely, sady natolony ilay fonosana misy kasety sy vatoaratra. “Alaivo ny radio kasetinao dia andao hiaino Lemizo sy Lezimbo!”

Teo vao samy tonga saina fa efa tsy ao intsony na ny milina hanjairana akanjo mihaja na ny radio kasety hiainoana Lolo sy ny Tariny.

“Novarotako ilay milina fanjairana hahafahako mividy kasety ho anao,” hoy i Tsarahogo.

“Namidiko ilay radio kasety hividianako ravin-damba ho anao,” hoy kosa i Zefa.

Samy nihevitra ny hanao fahafoizantena sy sorona ho an’ilay olon-tiany na ny andaniny na ny ankilany, kinanjo fatiantoka iray trano no vokany. Samy nentanim-pitiavana izy mivady, fa tamin’ity indray mandeha ity dia tsy araky ny nampoizina ny vokatra.

Nony kelikely dia samy nahatsapa ny maha-mahatsikaiky ilay zavatra nitranga na dia sady mampalahelo sy mampiomehy ihany aza. Lokin’ny hehy tsy satry izy mivady.

Ny hany sisa azony natao dia niletra ireo gateaux-mofomamy novidian’i Tsarahogo sy nigoka ny bonbon anglais sy THB nentin’i Zefa.

Sambara ny krisimasy! Tratrara ny fety!

Sign up to discover human stories that deepen your understanding of the world.

Free

Distraction-free reading. No ads.

Organize your knowledge with lists and highlights.

Tell your story. Find your audience.

Membership

Read member-only stories

Support writers you read most

Earn money for your writing

Listen to audio narrations

Read offline with the Medium app

--

--

Soamiely
Soamiely

Written by Soamiely

Favorite Palindrome: Was it a car or a cat I saw?

No responses yet

Write a response