Tanàna kely ambanivohitra somary ankodahoda iray no nipetrahan’ ilay tantsaha iray antsoina hoe Botokely. Lehilahy tsy mba tia nisahirana fa zary malaindaina izay izy io. Tsy mba nanana tanjona goavana izy tamin’ny fiainana fa dia nionona sy niarotra tamin’izay kely nananany teo hatrany. Sombin-tany kely sy tranogasy tsotsotra izay no hany mba fananany. Vary sy mangahazo no namboleny. Makamaka aina sy mandrimandry teo ambanin’ilay hazo manga teo andrefan-tanana no nandaniany ny androny, nanonofy fiainana tsaratsara kokoa, saingy tsy nanao na inona na inona mba hahatratrarana izany.
Nisy mpanankarena mpanefoefo iray atao hoe Valohery tonga tao an-tanàna indray andro niaraka tamin’ny mpiasa sy milina maro be. Tonga hanorina orinasa tery antsimon-tanàna izy. Orinasa izay kasainy hamokatra sy hanondranana entana isan-karazany any andafin-dranomasina. Lehilahy manana zoton-tsaina sy be asmbo-po i Valohery. Na dia nipoitra avy tamin’ny fianankaviana tsotsotra sy sahirankirana aza izy dia nisondrotra ho isan’ireo mpandraharaha mahomby indrindra teto amin’ny firenena.
Nitady trano hipetrahana nandritrin’ny fanamboarana ny orinasany i Valohery. Reny fa nanana efitrano malalaka azony ampiasaina i Botokely. Zaran’i Botokely aza nanana vahiny manan-kaja toy izany tao an-tranony, ka tsy nisy resabe na adi-varotra fa avy hatrany izy dia nanaiky ny hamela an’i Valohery honiona tao aminy. Nanantena ny hisitraka tombony tamin’ny fangorahana sy ny haitarik’i Valohery izy, ary indrindra indrindra nitetika ny hahazo asa tany amin’ilay orinasa vaovaony mihitsy aza.
Na dia teo aza ny fahasamihafana nisy teo amin’izy mirahalahy, tsy ela izy dia lasa mpinamana. Nahafinaritra an’i Valohery ny fomba fiainan’i Botokely, tsotra sy tsy dia nivaky loha, ary nampiaiky volana an’i Botokely ny faharanitan-tsain’i Valohery sy ny fampiasany ny haitarika sy ny traikefa nananany. Isaky ny nisy fotoana afaka niresadresahana dia nifampizara tantara sy vazivazy izy ireo, ary samy nisintona lesona sy fampianarana tamin’izany. Nampianatra an’i Botokely ny fahaiza-manao fototra momba ny raharaham-barotra sy ny fandraharana i Valohery, ary nampianatra an’i Valohery ny fombafomba sy ny vako-drazana teo an-toerana i Botokely.
Indray hariva, notantarain’ i Botokely tamin’i Valohery ny momban’i Jean Clement, ilay mpimasy iray nipetraka teo amoron’ny ala teo akaiky teo. Malaza fa manana fahefana sy fahaizana avo lenta hanome izay irin’ny olona izy io. Nambaran’i Botokely fa efa nanampy azy indray mandeha ilay mpimasy, fony izy nila vola. Nanadina ankamantatra taminy hono ilay mpimasy, ka raha voavaliny marina izany dia hahazo valisoa izy. Ny ankamantatra tamin’izay dia:
“Inona no zavatra iray izay tsy ho azonao velively, fa arakaraka ny mahabetsaka azy no tsy ahitanao?”
Nieritreritra mafy an’ilay ankamantatra hono i Botokely, ka izao no valiny nomeny: “Haizina”. Nidera sy niarahaba azy noho ny hafetseny hono i Jean Clement, ary nanome azy lelavola iray kitapo. Io vola io hoy izy no nampiasainy hividianana ny taniny sy ny trano bongony.
Nanaitra an’i Valohery io tantaran’i Botokely io, ka avy hatrany dia nangataka izy mba ho entina haingana tany amin’ilay mpimasy. Te hitsapa ny fahaizany hono izy, ary te hahita raha afaka manome azy bebe kokoa mifanaraka amin’ny traikefany ilay mpimasy. Ny tanjony dia ho lasa lehilahy manankarena sy matanjaka indrindra manerana ny nosy.
Nanaiky hitondra an’i Valohery tany amin’ilay mpimasy i Botokely, saingy nanafatrafatra azy izy mba hitandrina fatratra. Nampitandrina izy fa tena fetsy sy sarotiny be i Jean Clement, ary tsy voatery hanome azy izay nantenainy. Nambarany fa fanaon’ilay mpimasy ny manangan-tsikidy, ilay sikidy nentim-paharazana mifototra amin’ny endrika geometrika, mba hamantarana ny hoavin’ireo mpitsidika azy.
Mandahatra voan-tsikidy ambony tsihy eo amin’ny tany hono ilay mpimasy, ary miankina amin’ny endrika sy ny toeran’ny tsipika no hanapa-kevitra na hanampiany na tsia an’ilay olona.
Nilaza fa tsy natahotra an’ilay mpimasy na ny sikidiny i Valohery. Natoky ny fahaizany manokana — natoky valera — izy, ary nino fa ho vitany ny handresy ilay mpimasy. Nilaza izy fa vonona ny hiatrika ny zava-tsarotra rehetra, ary hanaporofo ny maha-izy azy. Naveriny indray fa ny tanjony dia ho lasa lehilahy manankarena sy matanjaka indrindra manerana ny nosy.
Ny ampitson’iny, dia nandeha tany amoron’ala izay nisy ilay mpimasy i Botokely sy i Valohery. Lalana tery no nandehanany, mandra-pahatongany tany amin’ny toerana malalaka iray, ka tazany trano kely vita amin’ny volotsangana sy ravinkazo. Nandondona ny varavarana izy ireo, ary nandre feo avy tao anatiny nanao hoe:
“Zovy moa ianao, ary inona no tadiavinao?”
Namaly i Valohery hoe:
“Mpinamana roa izahay, izay tonga hitady ny fahendrenao sy ny fanampianao. Renay fa afaka manome sy manatanteraka ny fanirianay rehetra ianao, raha afaka mamaly ny ankamantatrao izahay.”
Hoy ilay feo:
“Eny ary, midira, ary aoka ho jerevako ny tavanareo”.
Niditra tao amin’ilay trano i Botokely sy Valohery, ka nahita lehilahy iray nipetraka teo ambony tsihy, voahodidin’ny zavatra isan-karazany, toy ny taolana, akorandriaka, vato, ary bozaka. Efa antitra sy kentrona izy, lava volombava sy solaloha. Nanao akanjo volontair izy, ary rojo vakana.
“Tongasoa, ry namako, eto amin’ny fonenako. Izaho no Jean Clement, mpimasy, ary manana hery sy fahefana hahatanteraka ny nofinofinareo aho. Fa aloha, tsy maintsy mandalo ny fitsapako ianareo. Omeko ankamantatra ianareo, ary raha voavalinareo marina izany, dia mety hahazo valisoa ianareo. Fa raha tsy mahomby ianareo, dia handoa vidiny. Vonona ve ianareo?”
Nanaiky i Botokely sy Valohery ary nilaza fa vonona izy ireo.
Hoy ary ilay mpimasy:
“Eny, mihainoa tsara, ka mieritrereta tsara, ary izao no ankamantatro:
“Inona no zavatra iray tsy ho very na oviana na oviana, fa arakaraka ny ampiasanao no hahazoanao bebe kokoa?”
Nifampijery i Botokely sy Valohery, ary niezaka nieritreritra ny valiny. Samy nieritreritra zavatra samihafa izy ireo, toy ny fotoana, fahalalana, fitiavana, fahafahana sy ny sisa. Tsy azon’izy ireo antoka anefa raha nisy marina na tsia.
Niangavy an’i Jean Clement izy mirahalahy mba hanoro hevitra, ka hoy ilay io hoe:
“Jereo ny sikidy izay nalahatro teo amin’ny tsihy fa hitari-dalana anareo amin’ny valiny.”
Nijery an’ireo voan-tsikidy i Botokely sy Valohery, ka nahita lamina sy teboka saro-takarina, mirindra amin’ny efajoro. Niezaka nahafantatra ny hevitry ny sikidy izy ireo, saingy tsisy azony. Nangataka an’ilay mpimasy hanazava izany, ka hoy izy:
“Ny sikidy dia zavakanto masina, izay manambara ny fahamarinana miafina amin’izao rehetra izao. Ny tsipika sy ny teboka tsirairay dia maneho singa samihafa, toy ny tany, ny rano, ny afo, ny rivotra, sy ny sisa. Ny fomba fandaharana sy fametrahana azy ireo dia mampiseho ny fifandraisana eo anelanelan’izy ireo, ary ny vokatry ny toe-javatra rehetra. Ny sikidy dia afaka milaza ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy. Afaka mamaly ny fanontaniana rehetra koa izy, raha mahay mamaky azy ianao.”
Hoy ihany ilay mpimasy:
“Afaka mampianatra anareo mamaky laha-tsikidy aho raha liana ianareo, fa mila fotoana lava sy fanazaran-tena be dia be. Mila manam-paharetana sy mazoto ary manetry tena ianareo. Mila mianatra ny tsanganam-boan-tsikidy toy ny Tale, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, Alisay, Fahavalo, Fahasivy, Ombisa, Haja, Zanahary, Asorotà, Tovolahy, Lalana ary Trano. Ireo anarana ireo dia manondro anjara asa, izany hoe sokajin’ olona na singan’ olona, sokajin-javatra na singan-javatra, mandray anjara amin’ ny fiainan’ ny olona na ny zavatra hafa tiana hofantarin-toetra. Tokony ho vonona hizara ny fahalalanareo amin’ny hafa koa ianareo, ary hampiasa izany amin’ny tsara. Vonona ny hianatra ve ianareo?”
Nieritreritra ny tolotr’i Jean Clement i Botokely sy i Valohery, ka samy nandray fanapahan-kevitra nitokana tsirairay.
I Valohery no namaly voalohany:
“Tsia, tsy vonona ary tsy mazoto ny hianatra aho. Tsy raharahiko izany sikidy izany, na tsy mila ny tsiambaratelon’izao tontolo izao aho. Heveriko fa fandaniam-potoana izany, ary fanelingelenana amin’ny tanjoko. Mbola te ho lasa mpanankarena sy manankarena indrindra aho. Lehilahy matanjaka indrindra manerana ny nosy. Amiko, ”vola” no valin’ny ankamantatrao. Marina ve aho?”
Nihifikifi-doha ilay mpimasy ka nanao hoe:
“Tsia, diso ianao. Tsy vola no valin’ny ankamantatro, na ny vahaolana amin’ny olanao. Ny vola no zavatra mora very, ary arakaraka ny anananao no tadiavinao. Tsy nahavaly ny ankamantatro ianao. Nasehonao ahy ny fitiavam-bola sy ny fizahozahoana. Dia mbola nampianao tsy fanajana izany, Tsy hampianatra anao sora-tsikidy aho, fa hanome ozona koa izay hiteraka fahoriana sy fijaliana ho anao. Safidy adaladala ny anao, ry sakaiza.
Nony avy eo dia namaly kosa i Botokely:
“Eny, vonona ny hianatra aho. Te-hahafantatra bebe kokoa momba ny sikidy sy ny tsiambaratelon’izao tontolo izao aho. Ity no valin’ny ankamantatrao. Ny zavatra iray tsy ho very na oviana na oviana, fa arakaraky ny fampiasanao bebe kokoa no ahazoanao: “fahendrena.” Marina ve aho?”
Niondrika i Jean Clement ka nanao hoe:
“Eny, marina ny teninao. Ny fahendrena no fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra azon’ny olona rehetra, ary ny fomba tsara indrindra hampiasana azy. Namaly ny ankamantatro ianao, ary naneho ahy ny fanirianao hianatra. Nahazo ny fankasitrahako ianao ary ny valim-pitiako. . Hampianatra anao ny sikidy aho, ary hanome tso-drano anao koa aho, izay hitondra fahasambarana sy fiadanana ho anao. Nanao safidy feno fahendrena ianao, ry namako.”
Nanofahofa ny tanany i Jean Clement ilay mpimasy avy eo, ary nisy rivotra mahery nitsoka tao amin’ilay trano bongo. Hoy izy:
“Mandehana, avelao aho, fa efa azonareo ny anjaranareo, ary tsy maintsy miaina miaraka amin’izany ianareo. Tsarovy ity andro ity sy ny lesona azonareo. Veloma ry namako.”
Nandao ilay trano volotsangana i Botokely sy Valohery, ary niverina tany an-tanàna. Vetivety dia tsapan’izy ireo ny vokatry ny valisoa sy ozona nataon’ilay mpimasy.
Tetsy an-daniny, lasa olo-manan-kaja sy mami-hoditra teo amin’ny fiaraha-monina i Botokely. Nianatra sikidy izy ary nampiasa izany mba hanampiana ny mpiara-monina aminy. Nanatsara ny fahaizany mamboly koa izy, ary nampitombo ny vokatra sy ny fidiram-bolany. Tsy ela dia lasa isan’ireo manankarena sy matanjaka indrindra manerana ny nosy izy. Niaina ela sy falifaly izy, niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny namany.
I Valohery kosa tetsy ankilany lasa lehilahy halan’olona sy be fahavalo ka very hatramin’ny orinasany sy ny hareny. Niatrika olana sy sedra maro izay nanimba azy koa izy. Tsy ela velona izy fa niaina tao anatin’ny mangidy sy famoizam-po.