On Madagascar

Selection of think pieces and other short articles and stories about Madagascar.

Follow publication

Tantara Noforonina sa Nonofisina?

--

henoy eto ny tantara velomin’i Lalah

Misy zaridaina kely mahafinaritra izay eo ambany avaratry ny Ministera fiasako. Misy hazo midoroboka be ao ka malomaloka sy milamindamina ery rehefa iny mitatao vovonana iny ny andro. Misy seza vato vitsivitsy azo hipetraperahana sy hakana aina tsara ao.

Mahagaga anefa fa ankoatra an-dRamoramiakatra sakaizako dia tena mahalana dia mahalana mihitsy vao mba misy olona mipetrapetraka ao rehefa atoandro. Somary teritery ihany aloha ilay toerana ka aleon’ny mpiasan’ny ministera angamba mandeha misakafo rodobe eny amin’ireo zaimaika sy varimitsangana maro be manodidina iny faritra misy ny biraom-panjakana isan-karazany eny Anosy iny.

Ramoramiakatra kosa isan’andro tsy tapaka dia hita ao foana rehefa ora fisakafoanana atoandro eo anelanelan’ny amin’ny 12:30 sy amin’ny 14:30. Rangahy tena tia vakiteny izy ka raha vao misy fotoana kely dia avoakany avy any anaty kitapony any ny boky, dia io izy sondriana mamaky. Boky ny azy no tena mba namany. Boky koa no sakafony. Manana tahirim-boky Malagasy feno dia feno tokoa izy ka izay no nifankahalalanay sy nifampisakaizanay mirahalahy — samy mandala haisoratra ary samy miondana literatiora Malagasy.

Sivy amby telopolo taona Ramoramiakatra ary tompon’andraikitry ny sampandraharaha misahana ny serasera ao amin’ny Ministera izy. Tsotra sy tsy mba tia mirehareha sady tsy dia mba be resaka izy — saro-kenatra mihitsy aza. Mipirimpirina fa tsy anisan’irony mpanao atsanga tsy aman’orana irony. Salama vatana sy tomady saina izy raha ny fijeriko azy, ka tsy tokony hisy antony mihitsy tsy hinoako ity tantara notantarainy tamiko ity.

Indray Talata atoandro izay, hono, dia nisy ramatoa iray mitafy lamba niditra ilay zaridaina ka naka toerana teo amin’ny seza akaiky an-dRamoramiakatra. Vehivavy fohy, boribory endrika sy fonentanentana, efa zokinjokiny ihany kanefa mbola hita soritra mazava eny an-tavany ny hatsaran-tarehiny. Hita amin’ny fomba fijeriny koa fa tena mbola maranitra sy kinga ny sainy. Sendra nifanojo maso izy mianaka, dia nifampiarahaba, ary avy eo nifanatsafa.

“Inona izato mahavariana sy mahasondriana anao, anaka?” hoy ny fanontanian’ilay ramatoa somary manadrohadro. Narahiny tsikitsiky ny fanontaniana. Noheverin- dRamoramiakatra fa olona mba mitady resaka fotsiny ity miresaka aminy, fa tsy tena liana amin’izay valinteniny akory. Toy izany mantsy ny ankamaroan’ny olona. Nasehony azy ilay boky kely mangamanga efa tranainy teny an-tanany.

“Mamaky boky aho, tompoko!”

“Hitako tsara fa mamaky boky ianao kah! Fa mba inona izato boky mahasondriana anao, raha tsy mahadiso?”

“Boky malagasy efa talohaloha ihany izy ity. Tsy dia fahita firy ka asa raha fantatrao. Voromby no lohateny ary Randriamiadanarivo no nanoratra azy.”

“Hay ve?” hoy ilay ramatoa. “Mahafinaritra kosa izany. Tsara ny mamaky boky, indrindra moa raha boky momban’ny tantaram-pirenena toy ireny, fa tohizo hatrany e! Avelako hamaky ny bokinao ianao, fa tsy helingeleiko intsony ary e!”

Nitsiky Ramoramiakatra dia niverina nanohy ny vakiteniny. Nony tonga ny fotoana fiverenena miasa vao nitraka indray izy. Tsy hitany teo intsony ilay ramatoa.

Ny ampitson’iny, rehefa tafapetraka tsara teo amin’ny toerana mahazatra azy izy ka handeha hanomboka hamaky ny bokiny, dia indro indray ilay ramatoa niditra ny zaridaina amin’izato famindra somary mijaiko nefa mihaja, ka naka toerana tsy lavitra loatra ny toerana nisy an-dRamoramiakatra.

“Manao ahoana, tompoko o!” hoy ilay sakaizako niarahaba ilay olondehibe.

“Manao ahoana o! Mbola variana amin’ny Voromby an-dRandriamiadanarivo ihany ve isika izany e?”

“Efa vitako omaly iny kah! Boky hafa indray ity vakiako ity,” hoy Ramoramiakatra, sady nasehony tamin’ilay madama be ihany ny boky teny an-tanany — boky vaovao maroloko. Vol à vif no lohatenin’ilay boky ary Ravaloson no mpanoratra.

“Ohatry ny mpanoratra efa henoko ihany ilay Ravaloson io, fa mbola tsy tena nahita ny sanganasany aho. Tsara ve?”

“Tena vao nivoaka mihitsy ito boky ito. Resaka dahalo. Ohatry ny tena tsara ilay izy kah! Efa manana ny lazany mihitsy Ravaloson na dia mbola azo atao hoe kintana vao misandratra ihany aza. Mahay manoratra mihitsy izy.”

“Mahavelom-bolo tokoa anaka ny mahita tanora manoratra,” hoy ilay ramatoa. “Ohatry ny tsy dia misy firy intsony mantsy izany izao. Mazotoa ary mamaky indray ary aloha e!”

“Misaotra indrindra, tompoko. Mazotoa koa ianao.” Dia nanomboka ny vakiteniny i Ramoramiakatra.

Dia toy izany koa ny andro manaraka sy ny maromaro taorian’izany. Rehefa iny tafapetraka iny Ramoramiakatra dia indro ilay ramatoa miditra ny zaridaina. Somary mifanatsafa aloha izy mianaka, dia avy eo miresaka momba izay boky eny an-tanany sy momba ny sehatry ny haisoratra amin’ny ankapobeny.

Voaresaka daholo hatrany amin-dry Andriamalala, Andry Andraina, Ratsifandrihamanana, ka hatrany amin-dry Jaomanoro, Rakotoson, Raharimanana, ary i Naivo.

Voaresaka koa ny olana misy eo amin’ny fanontàna boky eto Madagasikara sy ny fahasarotan’ny fivarotana boky amin’ny teny Malagasy.

“Tsy zatra mamaky teny Malagasy ny olona satria miha-vitsy ny boky mivoaka amin’ny teny Malagasy,” hoy ilay ramatoa indray andro. “Ny mpanoratra sy ny mpanonta koa anefa etsy andaniny mihevitra fa vitsy mpamaky ny boky voasoratra amin’ny teny Malagasy ka aleony mifantoka amin’ny teny vahiny.”

“Koa tsy hiala aina tsikelikely ve izany ny teny Malagasy?” hoy ny nasetrin-dRamoramiakatra. “Sady vitsy mpanoratra no vitsy mpamaky.”

Resaka tsotsotra nefa lalina toy izany no nifanakalozana. Dia nandeha teny ny andro. Nandeha teny ny fotoana. Nanomboka nifankazatra sy nifankahalala tsikelikely izy mianaka. Lasa nahafinaritra an’ilay sakaizako ireny resadresaka ireny.

Sombintsombiny kely avy tamin’ireny resadresaka nifanaovan’izy mianaka isanandro ireny no nahafantaran-dRamoramiakatra ny mombamomba an’ito ramatoa lehibe nanjary namany. Rabemila Odette no anarany. Miasa, miandraikitra ny fikarohana, ao amin’ilay Tranomboky Lehibe tsy lavitra ny Ministera. Mandala koa raha mandala ny kolontsaina ary indrindra ny haisoratra Malagasy izy.

Indray Alatsinainy atoandro izay, tsy tonga teo an-jaridaina toy ny mahazatra ilay ramatoa. Gagagaga ihany Ramoramiakatra. Nangaina kely koa ny anao lahy satria efa tsindrin-daona ihany izy hampiseho an’ilay bokin’i Randza Zanamihaotra vao novidiany tetsy amin’ny fivarotam-boky tonta tetsy Ambohijatovo. Tsy nalefany lavitra anefa ny sainy fa ny bokiny no novakiany.

Ny ampitson’iny, andro Talata, dia nipoitra toy ny isan-andro indray Ramatoa Rabemila. Tsapan’ilay namako anefa fa somary hendratrendratra izy. Toa taitaitra hafahafa, toa tsindrin-javatra izany.

“Nisy zavatra hafahafa nitranga tamiko omaly,” hoy izy avy hatrany raha vao tafapetraka izy. “Tsy sahiko tantaraina na amin’iza na amin’iza, fa sao dia lazain’ny olona hoe lasa adala eo aho.”

“Fa nisy inona kay?” hoy Ramoramiakatra, nametraka ny bokiny. “Lasa adala amin’ny ahoana ary?”

“Ka zavatra tena tsy mampino anie, anaka, ilay izy e! Hihomehezanao fotsiny aho raha tantaraiko aminao ny zavatra nitranga omaly.”

“Tantarao ihany aloha e!” Nitsiky sady nanambitamby azy ilay sakaizako.

“Ho tantaraiko anao raha manome toky ianao fa tsy hihomehy, na hitsara ahy, na hihevitra ahy ho adala.”

“Tantarao fotsiny aloha e!”

“Tandremo ary ianao mihomehy an! Tonga namangy ahy tao am-piasana Rabearivelo omaly,” hoy izy, dia nijanona izy nijery ny fomba nandraisan-dRamoramiakatra izay zavatra noteneniny.

“Rabearivelo iza moa izay?” hoy ity farany, tsy nahazo resaka.

“Rabearivelo Rabearivelo, anaka, fa ianao koa aza manadala eo!”

“Tsy azoko marina e! Iza tsara no nitsidika anao tany ampiasana?”

“Rabearivelo ilay poety sy mpanoratra e!”

“Jean Joseph Rabearivelo ihany no mpanoratra fantatro.“

“Izy indrindra no tonga namangy ahy tao am-piasana e! Miaraka amin’ilay volony misavoamboana iny, sy ilay tsikiny malefadefaka.” Tsy nitsiky mihitsy Ramatoa Rabemila nitantara an’izany, fa nandinika ny endriky Ramoramiakatra. Kofona tsy nahy ilay io. Asa na kofon’ny hatairana na kofon’ny hehy.

“Ary raha tsy diso aho dia efa ela be izy no maty namono tena an!” hoy izy, sadaikatra. “Tamin’ny 1939 angamba izy izay.”

“1937 kah. Izay koa no noheveriko, kanefa dia lazaiko marimarina aminao anaka fa hitako toy ny ny fahitako anao izao izy.”

“Dia inona no nataony na nolazainy?”

“Nisy boky notadiaviny: izany Firaketana momba ny Mpanoratra sy ny Asa Soratra Malagasy izany. Dia nisafoaka izy nony nolazaiko fa tsy misy an’izany boky izany!”

“Dia avy eo?” Niezaka mafy Ramoramiakatra hanaraka ity tantara hafahafa ity, fa toa tena tsy zakan’ny lohany ilay izy.

“Dia nanontany ahy izy hoe tsy mba nisy nanao rakitra na antolojia momba ny tantara foronina mihitsy ve teto Madagasikara? Misy vitsivitsy ihany, hoy aho, dia nasehoko azy ireny rakitra tantara misy amin’ny teny Frantsay ireny. Ary aiza ny teny Malagasy, hoy izy?”

“Angaha misy?” hoy ny sakaizako, nanandrana nampidi-dranonketsa.

“Natoroko azy ny Takelaka Notsongaina nataon’i Simeon Rajaona. Somary nitsiky kely izy. Dia avy teo nanontany hoe ary ny taty aoriana angaha tsy nisy nanao, fa toa asa soratra efa tranainy sy talohan’ny fahaleovantena daholo no ao? Fa angaha hono tsy misy manoratra intsony ny Malagasy amin’izao fotoana izao? Izany anaka no nanontanian-dRabearivelo tamiko.”

“Izany an! Iny indray no tsy hitako.” Tsy tanan-dRamoramiakatra intsony ny fihomehezana. Hafahafa loatra ilay tantara henony. Toran’ny hehy izy na dia niezaka ny ho tony sy ho mototra ihany aza.

“Izay ary: ihomehezanao fotsiny aho. Hitako fa tsy mino izay lazaiko ianao na dia kely aza, fa heverinao fa mivadika atidoha aho.”

“Tsy mivadika atidoha ka!” Nanenina tampoka an’ilay fihetsika nasehony ilay sakaizako. Nampalahelo azy ilay ramatoa. “Mino aho fa tena nitranga tao antsainao tokoa izany sehon-javatra izany. Dia noheverinao fa tena nisy tokoa. Tena noheverinao fa hino izany tantara manao ambony ambany izany tokoa ve aho?”

Nisafoaka Ramatoa Rabemila nandre izany teny izany. Vonton-dranomaso ny masony. Nangovitra ny molony. Nitsangana tampoka izy ary dia lasa nandeha nivoaka ilay zaridaina. Tezitra. Tsy nanao veloma. Lotika.

Ny ampitso atoandro dia tsy tonga teo an-jaridaina indray izy. Toy izany koa ny andro manaraka. Ny herinandro manaraka. Tapa-bolana taty aoriana, mbola tsy nandalo ihany Ramatoa Rabemila. Nanomboka nalahelo azy sy nitebiteby ilay sakaizako. Ary nieritreritra hoe sao dia tafahoatra kosa tokoa ary ny fihetsika nataony.

Nony tonga ny andro Zoma, nanapa-kevitra ny anao lahy fa handeha hijery an’ilay namany any amin’ilay toeram-piasany ka hiala tsiny aminy amin’izay rehetra diso nataony na ny fahasorenana nateraky ny fihetsiny. Efa nanomana lahateny fohy nefa mafonja mihitsy izy sao dia vahotra tampoka ny lelany rehefa mihaona izy mianaka. Nivimbina sokola koa izy hatao fanatitra sy fanomezana.

Akaiky dia akaiky ny ministera no misy an’ilay Tranomboky Lehibe. Taloha kelin’ny mitatao vovonana dia lasa izy namonjy an’ilay trano be mijoalajoala fitahirizam-boky lehibe indrindra eto Madagasikara— anisan’ny trano kanto indrindra eto an-drenivohitra izy io. Avy hatrany izy dia nanatona ny toerana fandraisana ny mpamaky. Nisy tovolahy mbola tanora izay teo niandraikitra ny famaliana ny fanontanian’ny mpitsidika sy hanampy azy amin’ny fikarohana ataony.

“Saika mba hitady an’i Madame Rabemila anie azafady.”

“Madame izay tsara?” hoy ilay tovolahy sady nitsiky no vonon-kanampy.

“Rabemila, ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fikarohana.”

“Azafady indrindra tompoko, fa toa tsy misy an’izany olona izany ato. Sao dia mampiasa anarana hafa izy izay?”

“Odette Rabemila mihitsy ka. Ramatoa efa somary zokinjokiny iny izy. Mihaja sy mitafy lamba iny foana izy.”

“Andraso kely ary fa hanontany vetivety ny lehibeko aho.”

Nony afaka kelikely, dia niverina ilay tovolahy niaraka tamina ramatoa mitena akanjo, efa lehibebe taona. Sariaka ery ilay ramatoa niarahaba.

“Ianao ve ilay mitady an’i Odette Rabemila? Angaha tsy fantatrao fa efa maty izy?”

“Maty ahoana hoe?” Akory ny hatairana. Nangidy tampoka ny vava. “Vao roatokombolana anie izahay mianaka no nihaona!”

“Sao dia mba olon-kafa ary izany?” Somary gaga ilay mpiandraikitra ny Tranomboky Lehibe. “Ilay Odette Rabemila resahiko anie ka efa maty efa ela be e! Efa ho roapolo taona angamba izay e!”

“Izany ve?” Tsy nahita ambara Ramoramiakatra.

“Iee! Izy no tena nikarakara ny fanamboarana ity tranomboky ity tany ampiandohany. Izy no voalohany nanonta sy nanangona ny ankamaroan’ny boky Malagasy misy ato aminay. Izany no tena olo-mangan’ny tontolon’ny boky teto Madagasikara. Indrisy fa tsy mba maro ny olona mahalala ny zava-bitany. Tsy dia mba tia boky loatra ho’a ny olona ankehitriny e!”

“…” Hankina tanteraka. Tsy niteny tsy nivolana Ramoramiakatra. Fa iza ary izany ilay olona noresahiny isanandro teo an-jaridaina iny? Lasa lavitra be ny sainy. Izaho ve no namorona sa ny saiko no lasa tsy ampy kely, sa ahoana e?

“Itsy amin’ny rindrina Atsinanana itsy misy ny sariny, raha tianao jerena.”

“…” Nandeha nijery ilay sary ilay sakaizako, dia io tokoa Ramatoa Rabemila, ilay ramatoa niresahiny isanandro tao amin’ny zaridainan’ny ministera. Fanimpanina tampoka izy.

“Mety ve ianao izany Ramose o?”

“Mety aho ka!” hoy ilay sakaizako, mbola fanimpanina. “Miala tsiny nanelingelina anareo, fa tena mety ho olon-kafa tokoa angamba no tadiaviko. Misaotra anareo mianaka nisahirana.”

“…”

“Fa hono ho’a!” hoy izy nony kelikely. “Mba afaka indramiko ve ny kopian’ny Takelaka Notsongaina-nareo?”

Izay ry mpamaky hajaina ny ambentiventin’ny tantara nolazain’ilay sakaizako tamiko.

“Misy zavatra hafahafa nitranga tamiko, ka tiako ho zaraina amin’ialahy,” hoy izy mantsy ahy. Vao tafavoaka an’ilay Tranomboky Lehibe izy dia nihazakazaka namonjy ahy tao amin’ny biraoko. “Tena resaka matotra ity fa tsy vazivazy.” Dia nolazainy ahy ilay zava-niseho.

Tsoriko fa folaky ny hehy sady tsy nino koa aho notantarain-dRamoramiakatra ity zavatra mampitolagaga nitranga taminy ity. Kanefa araky ny nolazaiko tery ampiandohana, tsy misy antony tsy tokony hinoko izay zavatra tantarainy. Inona moa no tokony hamoronany izany tantara izany?

“Ataovy serieux! Siora ve ialahy fa tsy nandraindray kely, na nifoka bozaka anio?” hoy aho taminy sady nikakakaka nihomehy aho. Nikakakaka toy ny olona adala.

Tamin’izay indrindra no nandalo teo ivelan’ny biraoko ny talen’ilay sampandraharaha iasako. Nangarangarana teo ambaravarana izy, somary gaga nijery ahy tapa-tsinay.

“Fa dia inona loatra izato mampihomehy irery an’ise izato?” hoy izy sady nitsiky, nefa ny fijeriny toa nibedy. Tsy niandry valiny izy fa avy dia lasa nandeha.

Nitoditodika nijery ny manodidina tokoa aho dia tonga saina: Tsy nisy olon-kafa fa izaho irery ihany no tao amin’ny biraoko — toy ny mahazatra isan’andro rehefa fotoana fisakafoanana antoandro.

Mipetraka tsara eo anoloako, misy ilay boky Takelaka Notsongaina.

Misokatra eo amin’ny pejy faha 57: Irene Ralima, nosoratan-dRabearivelo.

Io no vakiteniko androany.

Sign up to discover human stories that deepen your understanding of the world.

Free

Distraction-free reading. No ads.

Organize your knowledge with lists and highlights.

Tell your story. Find your audience.

Membership

Read member-only stories

Support writers you read most

Earn money for your writing

Listen to audio narrations

Read offline with the Medium app

--

--

On Madagascar
On Madagascar

Published in On Madagascar

Selection of think pieces and other short articles and stories about Madagascar.

Soamiely
Soamiely

Written by Soamiely

Favorite Palindrome: Was it a car or a cat I saw?

No responses yet

Write a response