Soba sy ny jiolahiny

Soamiely
5 min readJan 18, 2024

--

Indray takariva nahafinaritra izay, nipetraka teo ambony latabatra teo akaikin’ny bar tao anaty efitrano karaoke iray i Soba, ilay mpanoratra sombin-tantara malaza, nisotro ny labiera, nihinana masikita, ary nanoratsoratra tao anatin’ny karne kely fitahirizany ny sombin-tantarany. Nanana fe-potoana hentitra tsy maintsy notratrarina izy, ary nanantena ny hahita aingam-panahy sy inspiraka avy tao anatin’ny hirahiran’ilay toerana.

Ilay hiran’i Bessa hoe “Ny itiavako anao” no nandeha tamin’ny karaoke. Nanao izay vitany ireo mpifankatia mpiantsehatra nanpiara-peo. Fa toa tsy tafavoaka fa nivalambalana ilay hira. Nihomehy anaty i Soba. Hira tsy dia hainy loatra no nandeha manaraka. Poopy angamba na Bodo. Hira milamindamina. “Asio hira mihetsiketsika e!” hoy izy anakampo.

Tampoka teo, injany nisy kotabataba farak’izay mafy avy tery am-baravarana. Indreo lehilahy telo nanao amboletra, niditra an-keriny. Nanao hasimanga, sy t-shirt mainty ary blouson cuir mainty izy telo mtsam. Dia nanao saron-tava sy nitondra antsy. Ohatr’ireny jiolahy fahita an-tsehatra na any amin’ny sinema ireny.

Nitoditodika nijery ny manodidina izy telo lahy. Nisavasava ilay efitrano ny masony ary nahita ilay vata fitahirizam-bola nipetraka somary niafina teo ambadiky ny bar. Niolomay sy nihazakazaka namonjy ilay vata avy hatrany ry lerony, nirodorodo nanao be fiavy sy nanofahofa ny benitra sy ny antsy rezatra teny antanany.

“Aza misy mihetsika na iray aza!” Hoy ny fibetroky ny iray tamin’izy telo lahy. “Calmos fotsiny raha tsy te ho faty virjiny! Fandrobana manara-penitra ity.”

Nihorohoro sy nipararetra avokoa ny mpanjifa sy ny mpiasa tao anatin’ilay efitrano karaoke. Samy natahotra an’ireo jiolahy ka tsy nisy sahy nihetsika. I Soba irery no hany naningana. Variana loatra tamin’ny fiangaliana ny asa sorany angamba izy ka tsy nahatsikaritra akory ny zava-nitranga. Na ny nijanonan’ny hirahira aza tsy tandrotandrony — ny feon’“Ny hasambarana,” ilay hiran’i Solo no nandeha tsy nisy mpihira. Tanatin’izany gidragidra izany, dia mbola nanohy nanoratra tao anatin’ilay karne sarobidiny ihany ilay mpanoratra.

Nony tonga teny amin’ilay vata fitahirizam-bola ireo jiolahy dia tsy nanisy andraso andraso fa nanokatra izany avy hatrany. Nangonin’izy telolahy ny vola tao anaty vata ary nataony tany am-paosiny. Nony saika handeha hitsaoka anefa ry lerony dia nahita an’i Soba nipetraka teo amin’ny latabany, nanoratra tamim-pahatoniana.

“He! Ianao io! Inona no dia mahavariana anao ao?” hoy ny fanontanian’ny iray tamin’ireo jiolahy.

Nitraka i Soba ary nahita ireo lehilahy telo misaron-tava nijoro nijaridina teo anoloany. Gaga izy, nefa tsy natahotra.

“Oh! miarahaba anao rahalahy,” hoy izy. “Manoratra sombin-tantara fotsiny aho tompoko.”

“Sombin-tantara? Tantara momban’inona?” hoy ilay jiolahy nanontany.

“Tantara fohy momba ny mpanoratra iray sy jiolahy telo,” hoy i Soba.

“Tena marina ve? Toa mahaliana izany. Ahoana no fandehany? Mba tantarao kely hoe!” hoy ilay jiolahy nanontany.

Nitsiky i Soba ary niteny hoe: “Eny ary, ohatr’izao ny fiatombok’ilay sombin-tantara:

Nipetraka teo amin’ny latabatra tao anaty karaoke ity mpanoratra malaza iray, nisotro ny labiera ary nanoratsoratra tao anatin’ny karne kely fitahirizany ny sombin-tantarany. Nanana fe-potoana tsy maintsy notratrarina mantsy izy, ary nanantena ny hahita aingam-panahy ao anatin’ny hirahiran’ilay toerana.

Tampoka teo, injany nisy kotabataba farak’izay mafy avy tery am-baravarana. Indreo lehilahy telo nanao amboletra, niditra an-keriny. Nanao hasimanga, sy t-shirt mainty ary blouson cuir mainty izy telo mtsam. Dia nanao saron-tava sy nitondra antsy.

Nitoditodika nijery ny manodidina izy telo lahy ireo ary nahita ny vata fitahirizam-bola teo ambadiky ny bar. Niolomay sy nihazakazaka namonjy ilay vata avy hatrany izany izy ireo, nikiakiaka sy nanofahofa ny benitra sy ny antsy rezatra teny antanany.

“Aza misy mihetsika na iray aza!” Hoy ny fibetroky ny iray tamin’izy telo lahy. “Calmos fotsiny raha tsy te ho faty virjiny! Fandrobana manara-penitra ity.”

Nihorohoro ka nipararetra ny mpanjifa sy ny mpiasa tao anaty karaoke. Natahotra an’ireo jiolahy izy ireo ka tsy nisy sahy nihetsika. Ilay mpanoratra irery no hany naningana. Variana loatra tamin’ny asa sorany angamba izy ka tsy nahatsikaritra akory ny zava-nitranga. Nanohy nanoratra tao anatin’ilay karne sarobidiny.

Tonga teny amin’ny vata fitahirizam-bola ireo jiolahy dia nanokatra izany avy hatrany. Nobedain’izy telolahy ny vola rehetra tao ary nataony tany am-paosiny. Nony saika handeha hitsaoka anefa ry lerony dia nahita an’ilay mpanoratra nipetraka teo amin’ny latabany, nanoratra tamim-pahatoniana.

“He! Ianao io! Inona no ataonao?” hoy ny fanontanian’ny iray tamin’ireo jiolahy.

Nitraka ilay mpanoratra ary nahita ireo lehilahy telo misaron-tava nijaridina teo anoloany. Gaga izy, nefa tsy natahotra.

“Oh, miarahaba anao,” hoy izy. “Manoratra sombin-tantara fotsiny aho tompoko.”

“Sombin-tantara? Tantara inona?” hoy ilay jiolahy nanontany.

“Tantara fohy momba ny mpanoratra iray sy jiolahy telo,” hoy ilay mpanoratra.

“Tene marina ve? Toa mahaliana izany. Ahoana no fandehany? Mba tantarao hoe!” hoy ilay jiolahy nanontany.

Nitsiky ilay mpanoratra ary niteny hoe: Eny ary, ohatr’izao ny fiatombok’ilay sombin-tantara.”

Ary avy eo dia naveriny hatrany am-piandohana ny tantara manontolo.

Somary fanimpanina sy verivery hevitra ireo jiolahy nihaino ny tantaran’ilay mpanoratra sombin-tantara. Na izany aza finaritra ihany. Nihaino azy tamim-pahalianana sy tamin-kafaliana izy telo lahy. Adinony hatramin’ ny fandrobana sy ny fandosirana. Nanjary lasa nampiomehy azy ireo fotsiny ny zavatra nitranga sy toa zary nahatsikaiky ny fandehan’ilay tantara.

Dia nofaranan’ilay mpanoratra ilay sombin-tantara ka hoy izy hoe: ‘Ary izay no fiafaran’ilay tantara.’

Nitehaka sy nihorakoraka ireo jiolahy. Hoy ny iray: ‘Tena milay e! Tena mahay ialahy … ianao! Oay! Azafady fa nataoko ialahy ianao!’

Nony avy eo dia nesorin’izy telolahy ny saro-tavany ary nasehony ny tarehiny. Hoy izy ireo: ‘Tsy tena jiolahy izahay fa mpilalao an-tsehatra. Nokaramain’ny tompon’ity toerana ity izahay hanao fandrobana fosika ho vazivazy. Tokony ho sangisangy tsotsotra ilay izy, fa novanao ho seho izilay.’

Naveriny tamin’ny tompony ny vola norobainy ary niala tsiny izy noho ny fahasahiranana. Hoy izy: ‘Miala tsiny raha nampatahotra anareo izahay. Manantena izahay fa nahafinaritra anareo ilay fampisehoana.’

Maivamaivana sy falifaly ny mpanjifa sy ny mpiasa tao anaty karaoke. Nitehaka sy nihorakoraka ary nihoby izy ka nanao hoe: ‘Fampisehoana tsy fahita fa tena raitra iny! Tena mpilalao an-dapihazo mahay daholo ianareo!’

Nisaotra ireo jiolahy sy ilay mpanoratra sombin-tantara izy ireo noho ny ala voly. Hoy izy ireo: ‘Tsy mbola nisy alina ohatr’iny! Karaoke no nahatongavana, sinema no hita!’

Lasa mpinamana ireo jiolahy sy ilay mpanoratra. Nanapa-kevitra ny hanangana tropy ry zareo ary hanoratra sy hanao tantara fohy. Nantsoin’izy ireo hoe ‘Ilay mpanoratra sy ny jiolahiny’. Nalaza sy nahomby izy ireo. Niaina tamim-pifaliana mandrakizay hono rizareo.

Tapitra.”

Nitehaka sy nihorakoraka ireo jiolahy. Hoy ny iray: ‘Tena milay e! Tena mahay ialahy … ianao! Oay! Azafady fa nataoko ialahy ianao!’

Napetrak’i Soba, ilay mpanoratra sombin-tantara malaza, ny peniny sy ilay karne keliny. Nangoniny ny entany. Dia ireny izy efa-dahy — Soba sy ny jiolahiny — nirifatra nandositra. Voasoratra tsara ny sombin-tantara. Ka mety ho tratra ihany ny fe-potoana nilana aingam-panahy tao amin’ilay efitrano karaoke.

Tapitra tena tapitra.

--

--