Ritsoka

Soamiely
4 min readJan 17, 2024

--

Teto an-tampon-tanànan’Ivohitramilay no niseho ity tantara kely vinany ity. Niredareda nahamay toy ireny valifatin-drafilahy ireny ny masoandro tamin’izay.

Nandeha ny feo fa nisy mpangalatra iray antsoina hoe Rainivanja izay nihaodihaody tao an-tanana malaza. Asa aloha raha tena anarany tokoa ny hoe Rainivanja, na anarambositra fotsiny ihany. Misitery efa navalon’ny taona maro nifandimby izany. Tsy any loatra aloha izao ny resaka fa ny fantatry ny be sy ny maro dia tary fainga-tanana izay tsy izy Rainivanja ary ikoizana sy kinga tokoa izy raha resaka halatra. Ataony tsisy miangana avokoa na ny entan’ny mpanankarena na ny an’ny mahantra na ny an’iza na ny an’iza eo anelanelany eo. Fa raha misy zavatra tena iriany sy tiany ho robaina dia tokana ihany: ilay ritso-baliha farak’izay raitra an’i Tendry, ilay mpitendry valiha malaza tao an-tanàna.

Tsy misy tsy mahafantatra an’ i Tendry raha mbola mponina ao Ivohitramilay. Raha misy ny tompondakan’ny fitendrena valiha, raha tsy voalohany i Tendry, dia faharoa na farafahalikamaatiny fahatelo. Toy ny safosafon’olon-tiana ny fandihizan’ireo rantsantanany mitsaingotsaingoka ny tadimbaliha. Mampitomany ny vehivavy, ary mampisento ny lehilahy ny ritsoka avoakan’ilay valiha. Moa va tsy fanitarana ny fanahiny tokoa ilay valiha. Raha ny tsaho sy ny siosion-dresaka mandeha aza dia toa hoe ny avelon-dry Rakotozafy sy ry Randafison mihitsy no nampianatra azy an’ireny ritsoka ireny.

Isaky ny maheno an’i Tendry milalao valiha Rainivanja dia toy ireny ilatsahan’ny varatra ireny ny tratrany ka lasa fenofeno ny fony. Tena mihantra aman’aina. Fantany fa tsy maintsy ho angalariny ka ho robainy ireny ritso-baliha ireny indray andro. Tsy noho ny fitadiavana vola aman-karena loatra anefa no anton’izany. Aleo hazava ny resaka. Efa manana mihoatra noho ny antoniny Rainivanja. Tsia, tiany ho azy fotsiny ireo ritsoka ireo satria manaitra ny fanahiny sy mampientana ny fony. Iriany ho azy mba hananany sombitsombim-panahin’i Tendry.

Arak’ izany ary, indray alina maizimbolana, indro Rainivanja ilay mpilaiso raindahiny nijaikojaiko niditra ny trano bongo kelin’i Tendry. Mbola renoky ny torimaso mavesatra ilay mpitendry valiha, nihetsiketsika toy ny hoe mbola mandihy amin’ny tadimbaliha ny rantsan-tanany. Nitsaitsaika nanatona ny zorontrano fitahirizan’i Tendry ilay fananany sarobidy Rainivanja. Namirapiratra tao anatin’ny hazavan’ny maizimbolana ilay valiha.

Nony tonga teny an-jorontrano anefa Rainivanja dia asa fa naneno tampoka ny tadimbaliha. Tsy feo fanoherana, fa feo fampitandremana. Nisokatra tampoka ny mason’i Tendry, ary namirapiratra toy ny vainafo ny anakandriamasony. “Inona no tadiavinao, ry mpangalatra?” Vaky ny feony.

Nidobodoboka izaitsizy ny fon-dRainivanja. “Ny mozikanao no ilaiko,” hoy izy nibaradaka. “Te haka ny ritsokao aho. Tiako ho ahy ny ritsokao.”

Ningonongonona i Tendry, feo nikarantsana ka nampihorohoro ny hazondamosin-dRainivanja. “Ah, ny mozika. Tsy ny valiha no ilainao sy tadiavinao, ry sakaiza, fa ny afo ao anatiny.”

Nipetraka, dia somary naka toerana teo ambonin’ny fandriana i Tendry, ka nihemotra i Rainivanja. Noraisin’ilay mpitendry valiha ny valihany. Nangovitra ny efitrano fa toa nibitsibitsika tsiambaratelo ny rindrina. Nihovitrovitra ny lohaliky Rainivanja.

“Henoy tsara,” hoy i Tendry, nampandihy ny rantsan-tanany teo ambonin’ny toham-baliha. “Ny ritsoka tsirairay dia milaza tantara: Oroka nangalarina, fo torotoro sy mangorakoraka, fandosirana mamatonalina, torapasika mangina. Heverinao ve fa azonao angalarina izany?”

Nihetsiketsika ny rantsan-tànan-dRainivanja. “Tiako andramana. Te hitsapa ny vintako aho.”

Nihomehy i Tendry, ary nanakoako manerana ny efitranony ny kakakakany. “Tsara izany. Raha te hangalatra ritsoka ianao, dia aferanao izany. Fa mitandrema, ry namako. Misy vidiny foana ny mozika.”

Efa tsy nihaino intsony Rainivanja. Nosintoniny teny amin’i Tendry ny valiha, nobedainy dia nataony amboletra. Dia iny nentiny nandositra tao anatin’ny ngilon’ny alina maizimbolana.

Tao aorian’izay, nolalaoviny teny amin’ireo lalantsara sy elakelatrano miafina ireo ritsoka nangalarina. Nitomany ny tanàna. Nisento Ivohitramilay. Nandihy sy nihomehy ary nitia ny olona. Tsapan-dRainivanja anefa ny afo nirehitra tao anatiny. Lasa feno nofy ratsy ny torimasony — ny fitiavana very, ny ady nifanaovana, ny takariva nandrahona, ny masoandro mody aman-arivony.

Indray maraina, nifoha izy ka nahita ny rantsantanany nifamatotra tamin’ny tadimbaliha. Lasa niraikitra taminy ilay valiha, ary nanjary nikoriana tao amin’ny lalan-drany ny ritsoka. Nitendry valiha Rainivanja, ary nihaino ny tanàna. Saingy novidiany lafo ny singam-peo tsirairay, nandreraka azy. Nanjavona ny fahatsiarovana, nanjavozavo ny tarehiny, ary navesatra ny fony.

Olona reraka sy torovana toy izany no nahitan’ i Tendry azy indray takariva avy orana, nipetraka teo ambony tafon-trano, nitendry feon-kira feno alahelo. “Nangalatra mozika tokoa ianao”, hoy ilay mpitendry valiha malaza. “Fa nandoa ny vidiny ve ianao?”

Nifanena tamin’ny masony ny fijerin’ i Rainivanja. “Ohatr’inona ny vidiny?”

Namirapiratra ny mason’i Tendry. “Ny fanahinao, ry sakaizako. Ny fanahinao iray manontolo mihitsy.” Tsy nisy latsa na kely aza izany teniiny izany.

Dia nitendry valiha Rainivanja, nandeha ra ny rantsantanany, vaky ny fony. Nitomany ny tanàna, ary nanjavona tao anaty haizina i Tendry. Saingy indraindray, raha mihaino tsana ianao, amin’ny alina maizimbolana, dia mbola heno ny feon’ny ritsoka halatra manakoako ao amin’Ivohitramilay — ny mozikan’ny mpangalatra izay nandoa ny vidiny farany indrindra.

--

--