Resaka sendra heno tetsy Manjakaray

Soamiely
2 min readSep 24, 2024

Resaka sendra heno tetsy amin’ny fiantsonan’ny taxibe tetsy Manjakaray androany maraina. Tanora Malagasy roalahy, mikata sy mihaingo be, andeha handray taxibe hiasa angamba, no sendra nifanena …. Izy mitsam tsy nahita ahy, fa izaho naheno ny resany tsara.

Tsy dia misy votoantony loatra ny resaka fa mba nahaliana ilay fomba firesaka tipika Malagasy ka indro zaraina …

A- Drray! Ingahilehibe marina! Ahoana patron a!

B- Manaja anao, Grand o!

A- Aiza indray ary ity “Grand” ity e? Inona no vaovao any aminareo e?

B- Tsy dia misy fa izao badolahy izao foana e! Any aminareo matanjaka izao no misy vaovao.

A- Aiza koa izay “badolahy” eo! Efa elaela mihitsy ianareo no tsy hita a! Tany amin’ny paka tany Ambodifahitra izao ialahy no hita farany …

B- Teto ihany fa kely dia tsy hitan’ny olona e!

A- Aza dia mba maneso anay madinika kosa e! Raha ianareo ve no kely, dia mba inona izahay?

B- Ka izany ary no marina, ka atao ahoana? Ianareo indray tsy esoina izany ka.

A- Aiza moa ianareo izao?

B- Miodikodina eto ihany fa mba ho aiza moa e! Nareo angaha mbola ao amin’ny banky ihany?

A- Ye, charge de mission ao aloha hatramin’izao. Tsy hita fa voatery mitsakaraka e!

B- Aiza indray ity “mitsakaraka” ity e! Efa laibany be io ve dia …., sa?

A- Ianareo izao no tena laibany, fa izahay anie mbola tena vahoaka mitrongo e! Fa aiza tokoa moa ialahy izao e?

B- Eto ihany fa mihodina dia misangodina e! Variana mijery anareo matanjaka e! Nanao ahoana tokoa ilay projet-n’ialahy ho an’ny eto amin’ny tanana e? Raikitra, sa …?

A- Eo indrindra isika izao ….

B- Mba tsarovy ihany ho’a ny kafiboay rehefa lasa minisitra ianareo …

A- Izay indray ialahy! Aleo aloha leitsy hikisaka fa eto aho no miala e! Amin’ny manaraka e!

B- Six ary e! Dia mankalaza e! Dia manaova fety sambatra raha tsy mifankahita e … Aiza tokoa ny progany amin’ny Reveillon e?

A- Eo indrindra isika izao e …. Mety hihodina any Dubai na any Maurice any angamba … Ianareo ho aiza? Siora aloha dia mampamangy any amin’i Rafotsy sy ny papozy any e!

Sign up to discover human stories that deepen your understanding of the world.

Free

Distraction-free reading. No ads.

Organize your knowledge with lists and highlights.

Tell your story. Find your audience.

Membership

Read member-only stories

Support writers you read most

Earn money for your writing

Listen to audio narrations

Read offline with the Medium app

Soamiely
Soamiely

Written by Soamiely

Favorite Palindrome: Was it a car or a cat I saw?

No responses yet

Write a response