Ny Mausolee sy i Lezimbo

1977 ny taona. Mpianatra tao amin’ny Kilasy Famaranana tao amin’ny Bahut i Lolo. Nikofokofoka mafy ny anao lahy fa haka Bakalaorea Serie A (Literera) amin’ny faran’ny taona. Mbola tsaroany tsara hatramizao ny daty nanokanan’ny Filoha Didier Ratsiraka ny Fasan’ny Maherifo ery Andrainarivo (Fort Duschenes, hoy ny olona taloha)— 29 Martsa 1977 — telopolo taona katroka taorian’ireny Tabataban’ny Fito Ambi-efapolo ireny. Toerana natokana hahatsiarovana sy hankalazana ireo olomanga namoy ny ainy ho an’ny tanindrazany sy hametrahana ny taolam-balony io Mausolee io.
Mbola tsaroan’i Lolo koa fa niteraka adihevitra betsaka teto Madagasikara ny fanamboarana azy io. Adihevitra nilaina satria tena nampieritreritra ny fiarahamonina malagasy. Ahoana no hamaritana izany hoe olomanga na hoe mahery-fo na hoe tia tanindrazana izany amin’ny fomba tsy miangatra? Iza no mendrika hiditra mausolee? Iza no manana ny fahefana hifidy izay tokony hampidirina ao?
Nandritra ireny adihevitra ireny dia voatonona matetika ho isan’ny olomanga malagasy ny Kolonely Richard Ratsimandrava, ilay manamboninahitra zandary nomen’ny Jeneraly Ramanantsoa ny fahefana feno hitondrana ny tany sy ny fanjakana. Tsy ampy herinandro akory taorian’izany anefa, ny alin’ ny Talata 11 Febroary 1975, dia maty nisy nitifitra teo anolohan’ny Commissariat de Police tery Ambohijatovo Ambony izy. Tena nanamarika an’i Lolo tokoa iny alina nisehoan’ny fifampitifirana nahatsiravina iny. Akaiky tena akaiky ny trano nipetrahany mantsy, dimapolo metatra angamba raha betsaka, ilay toerana nahafaty an-dRatsimadrava iny.
Vavolombelona tsy satry nanatrika, nandre sy nahita akaiky ny zavatra nitranga i Lolo. Tamin’ ny enina sy sasany harivan’iny Talata nisehoan’ilay tranga nanova tanteraka ny fizotry ny tantaran’i Madagasikara iny tokoa dia mbola nihirarira soa amantsara teo amin’ilay tamboho teo ivelan’ny tranony ry Lolo sy ny tariny. Fanaony efa saika ho isan-andro io rehefa avy mianatra izy. Kilasy faharoa tao amin’ny Lisea Andohalo i Lolo tamin’izany. Mazana variana mihira eo ry lerony ka indraindray tsy miala eo raha tsy efa alina be ny andro.
Tamin’ny fito sy sasany teo anefa dia nanomboka avy ny erika. Tsy ela akory izany dia nivadika ho orana. Voatery tsy maintsy nampidirina tao an-trano ny gitara fa sao lenan’ny orana ka ho loza. Dia norava teo ilay revin’ireo taritary mpitaingitamboho. Niparitaka samy namonjy fodiana ny akama. Soa ihany … Raha tsy izany angamba dia asa izay zavatra hafa mety niseho tamin-drilerony.
Tamin’ny valo sy fahefany alina teo no nanomboka ny tifitra basy vary raraka tao amin’ny arabe tao ivelan’ny tranony. Tsy naharitra ela akory izany fa angamba telo minitra raha betsaka. Korontana be tsy nifankahitana ny eran’ny trano. Na dia efa noraran-dreniny mafy tsy hanatona ny varavarankely aza ry Lolo sy ny ankizy tao an-trano dia tsy nanaiky fa mbola nikiry nitsikilo ihany. Tazany teo ampovoan-dalana ilay Peugeot 404 mainty nitondra ny Kolonely Ratsimandrava. Rotidrotiky ny bala. Nanjary nifangaro fofom-banja sy fofon-dra ilay fofon-tanimando mba nankafihizin’i Lolo rehefa mirotsaka ny orana.
Voalaza tao anatin’ny tatitra ofisialy navoakan’ireo nanao ny fanadihadiana fa zandary telo no namoy ny ainy teny Ambohijatovo Avaratra tamin’iny alina nanoran’ny 11 Febroary 1975 iny — ny Kolonely Ratsimandrava, sy ny mpiambina azy roalahy dia ny GP2 Samuel Rabotovao sy GP2 Bernard Rakotoarisoa. Nifantoka tamin’ny fahafatesan-dRatsimandrava sy ireo mpiambina azy ny sain’ny ankamaroan’ny mpanara-baovao. Fa ny an’i Lolo kosa dia tery amin’ilay miaramila hafa hitany nitsirara teo imoron’ilay lalana voarary vato manivaka mankany Ambodinandohalo no nalehan’ny sainy. I Zimbo io. Izy no voalaza fa nitifitra ka namono ilay filohampanjakana. “Fa iza marina moa io miaramila voalaza fa nahavanondoza ka namono an-dRatsimandrava io?” hoy ny eritreriny nanontany.
Roa taona taty aoriana. 1977 ny taona. Nanaraka akaiky ilay adihevitra mikasika ny olomanga sy ny mausolee i Lolo. Mbola lasa tany amin’i Zimbo foana ny eritretiny isaky ny maheno resaka momba ny Kolonely Ratsimandrava izy. Tena tsy mba “nahazo Mausolee” ary tsy hahazo mihitsy tokoa ilay zalahy satria jiolahy “namono filoham-panjakana”. Vao mainka nibosesika tao an-dohany ny fanontaniana. Antra ve izy? Sa kosa nangoraka?
Fa iza marina moa ilay Zimbo? Izy tokoa ve ilay lehilahy tazan’i Lolo tery amin’ny Tobin’ny Polisy tery Antanimora indray maraina, herinadro talohan’ilay tranga teny Ambohijatovo-Ambony, ilay nanao fanamiana commando sy fehiloha mena? Inona no tena nampiavaka azy? Inona no tena nanosika azy ka nahasahiany nirongo basy dia nitifitra malagasy mpiray tanindrazana taminy? Inona no tantarany? Fanontaniana tsotsotra kanefa manandaja toy izany no nanjary tsimoka niorenan’ilay hira hoe “Lezimbo”.
Tany anivon’ny taona 1977 tany i Lolo no tena nanoratra ilay hira raha ny filazany. Iny hira “Lezimbo” iny no anisan’ny hira voalohany nahafantaran’ny be sy ny maro ny tarika “Lolo sy ny Tariny” ary azo lazaina fa tena nanamarika ny sehatry mozika sy ny vazo miteny teto Madagasikara tamin’ny ireny taona valompolo sy sivivolo ireny. Ary mandrak’ity ny androany dia mbola tsy afaka am-bavan’ireo taritary mpitendry gitara eny ambony tamboho io vazo io.
Tsy mba nalefa tamin’ny radio na fahitalavitra izy iny noho ny sivana. Tsy mbola nisy youtube na facebook hizarana hira koa moa tamin’izany. Kasety nifampindramana na seho an-tsehatra no hany fomba nanaparitahana azy ka nahatonga azy ho lasa “viral” araky ny teny ankehitriny.
Tsy dia nanao fikarohana be toy ny inona loatra akory i Lolo hamaliana ireny fanontaniana be dia be mikasika an’i Zimbo ireny. Resadresaka tsotsotra nosamboriny teny amban’olona na sombimpahalalana novakiany tamin’ny gazety na reny tamin’ny radio, niampy vinavina kely isankarazany nateraky ny aingampanahy, izany no fomba tsotsotra nanangonan’i Lolo ny akora fototra nampiasainy nandrafetana ny tantaran’i Zimbo tao an-tsainy.
Dia izay tantara izay no zarainy amintsika ao anatin’ilay hira mampientanentana kanefa mampieritreritra. “Tsy voatery ho tena marina,” hoy izy “ny tononkirako, fa izay fahazahoako ny resaka fotsiny no mba hiraiko.” Tsy nahafantatra ary tsy dia tena te hahalala loatra ny momba ny foko nihavian’i Zimbo na zanaka Bara, na zana-tSakalava, na zanak’Ambaniandro i Lolo.
Tsy manana tetika na fikasana hitsara na hanaratsy an’i Zimbo mihitsy koa i Lolo fa aleony mitantara fotsiny. Tsy manosika antsika hitsara, na hangoraka na hitsetra koa izy. Ny nofinofy sy fihetseham-po niainan’i Zimbo ihany no tiany ho tsapantsika. Ary tena hain’i Lolo tokoa ny mametraka antsika mpihaino eo amin’ny toeran’i Zimbo ahafahantsika miaina izay iainany sy mahatsapa izay tsapany, amin’ny alalan’ny fampiasana ny mpisolo anarana hoe “ialahy” fa tsy hoe “izy”. Manjary ohatry ny mteny amitsika izy rehefa mihira hoe “efa resy ialahy, Lezimbo.”
Ny eritreritr’i Lolo mantsy dia olona mitovy amintsika rehetra ihany i Zimbo: mba nanana ny faniriany sy ny nofinofiny toa antsika ihany. Olona ohatra anahy sy ianao fa ny zavanisy sy ny onjan’ny fiainana no nahatonga azy tery Ambohijatovo Ambony iny alina malaza iny. Tantarain’i Lolo amintsika fa ny tena mba nofinofin’i Zimbo, dia ny ho lasa miaramila an-dranomasina. Asa mba maniry hahita tany na firenena hafa angamba izy? Toy ny antsika rehetra koa i Zimbo ka tsy mahafehy na mahabaiko izay nofy na faniriana ho tanteraka na tsia. Lasa miaramila tokoa izy saingy tsy mba an-dranomasina araky ny revireviny fa kosa miaramila an-tanety. Tsy mba teny ambony sambo fa tany ambanivohitra “lavi-dranomasina” no niandohan’ny raharaha miaramilany.
Mampiranty ny fahaizan’i Lolo mametraka ny mpihaino ao anatin’ny vanimpotoana iainan’ilay protagonista koa ity hira ity. Raha arahina tsara tokoa ny andininy enina misy ao anatin’ilay hira dia tsy vitan’ny hoe mitantara ny tantarampiainan’i Zimbo fotsiny i Lolo fa tena mitondra antsika mivezivezy ka mitety ireo vanim-potoana sy tranga lehibe (toy ny famindram-pahefana isan-karazany ohatra) nisy teo amin’ ny tantaran’i Madagasikara manomboka 1967 ka hatrany amin’ny 1977 mihitsy.
Tantarainy amintsika ohatra ilay rezimanta manokana nantsoina hoe Force Républicaine de Sécurité (FRS) nalaza nandritra ny Repoblika Voalohany. Io “Corps d’Elites” io no nampiandraiketina ny iraka na “missions” tena sarotra sy maika indrindra ka tsy tian’ny mpitondra nankinina tamin’ny tafika tsotra. Tsy hita velively ny masontsivana nampiasaina ka izay miaramila tena faran’izay henjana ihany no noraisina ho FRS. Nahazo fiofanana commando manokana avy amin’ny mpampianatra Israelianina tany Mandalahy, Fianarantsoa rizareo (raha tsy nalefa tany Israely), ary fitaovam-piadiana maherivaika israelinina toy ny uzi no nampiasainy fa tsy irony MAS-36 fampiasain’ny tafika. Fanta-poko fanta-pirenena ny fahaizan’izany FRS izany, ary natahorana fatratra izy tamin’ny fotoan’androny. Niavaka tamin’ireo miaramila niaraka taminy tany Ambanivolo angamba i Zimbo ka hitan’ny “Bekibo” dia nasainy niakatra teto Antananarivo ary “nataony FRS”.
Tantarain’i Lolo amintsika koa fa nony tonga ny korontana tamin’ny 1972 dia ry Zimbo sy ny FRS no nasaina hampandry ny tany ka nirahina hanafay ireo mpirotaka tao “Antananarivo maditra vahoaka” sy hiaro ny fitondran’i Dadabe Tsiranana. Nalaza fa nahery setra sy nihetraketraka ny FRS satria “nihevitra tsy ho resy satria niambozona ny basimarovava jiosy.” Vitsy noho ny maro anefa rizareo ka “voalevon’ireo vatokely” miharo haromontan’ireo mpi-grevy teny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena ny 13 may 1972. Voatery nandositra nakany Mandritsara ny Filoha Philibert Tsiranana, rehefa avy nanome ny fahefana feno ho an’ny Jeneraly Ramanantsoa, Lehiben’ny Etamazaoro.
Mbola tantarain’i Lolo amintsika koa fa napetraka tao anatin’ny Polisimpirenena rehefa nomena ny anarana hoe Groupe Mobile de Police (GMP) ry Zimbo sy ny commando namany toa an-dry Istasse, Christian Bora, Maurice Alphonse, Petit Jean Laza, Seta Mara, Boto rehefa Voatery “nofoanana” ny FRS nanomboka ny 1973, satria nalaza ratsy ho herim-pamoretan’ny Pisodia. Navaivay be ihany moa ny raharaha teto Madagasikara tamin’ireny fotoana ireny, Indrindra teo amin’ny fifandraisan’izy samy miaramila. Nahatsiaro tena ho natao ankilabao rizareo tao amin’ny GMP — izy Commando henjana nikoizana tamin’ny fampandriana tany sy fahalemana ary “zatra combats” no zara raha nasaina nanao ny asan’ny polisy mandamina fifamoivoizana sy “nanoronoro lalana foana”. Tsy nahagaga raha “nangidihidy ny tanany”.
Niteraka lonilony izany ka tamin’ny faraparan’ny taona 1974 dia nanomboka nikomy tao andakazeriny teny Antanimora ry lerony GMP. Nisy tamin’ny tafika tsotra koa nanampy andrizareo noho ny antony tsy fantatra loatra. Dia ny antokon’olona koa nampanatena hoe “hanafika indray ny FRS.” Dia iny fifampitifirana nahatsiravina teo anolohan’ilay tamboho fitaingina sy fihiran-dry Lolo sy ny tariny tery Ambohijatovo Ambony ny alin’ ny Talata 11 Febroary 1975 ny tohiny.
Telo amby efapolo taona aty aoriana. 2018 ny taona. Mbola tsy fantatra tsara ihany izay antony tena nanosika ny Jeneraly Ramanantsoa hiala tamin’ny ary hanome ny Kolonely Ratsimandrava ny fahefana feno hitondra ny Tany sy ny Fanjakana ho Filoham-panjakana, Lehiben’ny Governemanta ny 5 Febroary 1975. Efa vita ka nandalo fitsarana ny raharaha Ratsimandrava, kanefa mandrak’ity ny androany, mbola tsy fantatra tsy mazava ihany izay tena marina sy tena nitranga. Iza ny meloka? Iza no nibaiko …?
Tsy nanakana an’i Lolo hitantara amintsika izay heveriny ho zava-dehibe anefa izany. Ny iarahana mahalala sy manaiky dia ny niafaran’i tantaram-piainan’i Zimbo. Izay ihany no tiany ho tanaraina amintsika mpihaino ny hirany. Lavon’ny balan’ireo miaramila mpiambina ny filoham-panjakana voatifitra i Zimbo. Maty teny Ambohijatovo. Maty lavity ny vovo. “Efa maty ialahy vao olo-malaza … Tsy nisy nitomany a. Tsy nahazo mausolee.” Efa Resy tokoa ve i Zimbo, ilay FRS navadiky ny basimarovava jiosy?