sakaizan-gitara

asasoratra mikasika na miainga amin'ny vazon'i Lolo sy ny tariny

Follow publication

Ny Texas-n’i Lemizo

Soamiely
sakaizan-gitara
Published in
12 min readJun 8, 2018

--

Tena nahalalako zavatra maro momba ny tenako, momba ny fiarahamonina malagasy, ary momba ny fifampifandraisan’ny samy olombelona mihitsy aza iny hira hoe “Lemizo” iny. Aleo angamba aloha ho tantaraiko dia rehefa avy eo ho hitantsika raha resilahatra ianareo na tsia.

Bandy tena nisy i Lemizo fa tsy hoe noforonina fotsiny akory. Raha tsy diso ny fahatsiarovako dia tany amin’ny taona 1968 na 1969 tany ho any izahay mirahalahy no nihaona voalohany. Mbola i Dadabe Tsiranana no filohampirenena, ary mbola tao amin’ny EPP Ankadinandirana aho no nianatra, mbola tsy afaka CEPE fa kilasy faha valo na faha fito. Mbola tsy nivaky loha tamin’izany resaka mozika izany loatra aho fa ny baolina kitra no tena nahafinaritra sy nanavanana ahy tamin’izany — Tostão no fiantson’ny mpiray kilasy ahy noho ny fahaizako mijijy sy mamono baolina. Tsy hoe midera tena fa raha tsy nisy ilay ratra nahazo aho tamin’ny 1971 iny dia mety ho efa mpanao baolina kitra malaza sy matihanina aho, ary mety tsy nandray gitara akory. Fa resaka hafa mihitsy iny, aleo angamba tsy resahina izao.

Tsy nianatra alakamisy ny mpianatra teny amin’ny akamaroan’ny sekoly fanabezana fototra teto Madagasikara tamin’izany. Rehefa omen‘i Neny “argent de poche” kely izahay dia lasa mandeha mijery ‘manesy’ (io moa no filaza ny cinema amin’ny ‘nite kadivami’ ) teny amin’ny Lapan’ny Tovolahy teo akaikin’ny katedraly katolika eny Andohalo. Matetika dia sarimihetsika “western” tsy miloko avy any Etazonia lalaovin’ny mpiantsehatra kalaza toa an-dry John Wayne na ry Garry Cooper na ry Clint Eastwood no nalefandry ilay mopera mpitaiza tanora tao.

Tao izahay sy i Lemizo no nifankahita voalohany. Tary mainty fihodirana, tsy lava izy raha oharina amin’ny malagasy hafa nefa ranjanana, ary maranidranitra izany ny endriny. Raha any andafy ianao no mifanena aminy, tonga izy dia fantatrao fa malagasy. Raha eto Gasikara anefa dia mety ho heverinao fa karana na breziliana izy. Tsy mba niala teny an-dohany mihitsy ny satroka tsihy teloloko, ka mandrak’ity ny androny tsy mbola fantatro na olioly no ngita ny volony.

Tsy dia tena hoe nifankahalala be manahoana, na koa hoe mpinamana tsy nifankafoy akory izahay sy i Lemizo. Zokiko an-taonany maro izy sady tsy tena nitovy loatra na ny tontolo nibeazana na ny soa notoavina ka sarotsarotra ihany ny hampitovy tadin-dokanaga. Ilay zana-drahavavin-dreniko atao hoe Ratra izay no tena mifanerasera taminy. Nipetraka teny Ambanidia ry Ratra ary nanana boky sy kapila be dia be izy tao an-tranony. Tonga matetika tany aminy hono i Lemizo namaky bokintsinema sy “bandes dessinees” ohatra an-dry Blek le Roc, na Akim, na Zambla na nihaino ny kapilan’ny mpihira amerikana toandry Bob Dylan, Joan Baez, Janis Joplin, Frank Sinatra, ary Elvis Presley. Hira amerikana no tena nohainoiny — mba hianarany teny anglisy hono.

Hita taratra tamin’ny akanjo fitafiny hatrany fa zanak’olona sahirankirana i Lemizo. Tsy mba nanao irony pataloha hasimanaga Levi’s na kirao basikety irony izy, fa lamba soga “patte d’elephant” ny akanjony ary kapakapa tsotsotra kyranyl ny kitrony. Tsy fantatro loatra izay tena antom-pivelomany. Tsy haiko na nianatra izy na niasa. Ny fantatro dia bandy avy teny ambany tanàna izy.

Fa isan-andro dia hita mandehandeha teny amin’ny faritra ambonin’iny “La Haute Ville” iny foana i Lemizo. Vao maraina izy dia tazana mihazakazaka na manao footing ka tonga hatrery akaikin’ny Chalet eny Ambohipotsy. Dia avy eo manabokona hozatra na mikotrana “echelle” eo amin’ilay toerana fanaovan’ny mpianatry ny Lycee Gallieni fanatanjaha-tena. Rehefa atoandro izy dia mijorojoro eo akaikin’ilay toerana fisakafoanana ao amin’ilay tsenakely ao Anjohy. Isaky ny misy famoahana faty na zavatra hafa ao amin’iray amin’ireo fiangonana manan-tantara manodidina an’iny zaridainan’Andohalo iny ka tady hikatso ny fiara dia i Lemizo no mandamina ny fifamoivoizana.

Rehefa hariva indray dia hita mihainohaino miaraka amin’ny bandin’ny tanana teo amin’ny zaridainan’ Andohalo izy matetika. Mitehatehaka, mively aponga dia mihira ireny hira vakisaova firedon’ny Jomak’Ampama sy hira zafindraony ireny ry zalahy. Dia indraindray koa raha sendra misy gitara dia manandrana mivazo ireny “American Folk songs” fihainony tany amin’i Ratra ireny. Tadidiko fa beso no feo tena hain’i Lemizo. Raha misy manjo eny amin’ny La Haute eny dia tsy maintsy hita miandry faty foana inedala. Rehefa faran’ny herinandro ka nisy fampieshoana tao amin’ny Bahut na ao amin’ny Kolejy Saint Laurent dia anisan’ny “service d’ordre” foana izy.

Ny anahy moa tamin’izany mbola sainan-jazakely sady tsy ampy fahamatorana ka mora nampiresahana sy norebirebena. Nanintona sy nisarika ny saiko tokoa ilay fianinan’i Lemizo. Fiainana milamindamina, malalaka sy ahafahana nanao izay tiana hatao, fa tsy voafatotra na voafehin’iza n’iza. Moa tsy vakansy isanandro? Tsy mba nila namonjy lera, tsy nikarama, mandeha any amin’izay rehetra tiany aleha. Izay no fahitako ny andavanandron’i Lemizo.Tsy fantatro izay tany ambadika tany.

Nitsiritritra fiainana feno fahalalahana ohatry ny an’i Lemizo ny akamaroanay boay kely tao an-tanana. “Toy izany angamba izany fiainana any Zamerika izany,” hoy aho anankampo sady nandefa ny nofiko hiampita ranomasina sy kaontinanta. Tsy mba lalim-pandinihina loatra moa ny botokely tamin’izany ka mora notsindriana aloka sy novonoina vorona, dia matetika maniry ny an’ny hafa.Izay fitsiriritanay anazy izay angamba no tena antony nitavan’i Lemizo niarakaraka sy nitafatafa taminay. Mba impiry teo amin’ny fiainany tokoa moa izy no mba nahatsapa fa nirian’olona fa tsy naniry olona?

Tadidiko fa kinga vava sy nivantambatana ery i Lemizo rehefa niresaka taminay boay kely. Tia nibaikobaiko ary tena nihetraketraka mihitsy aza izy indraindray kanefa dia mbola niaretanay ihany izany. Tadidiko tsara koa fa raha vao tsinjo miala any i Lemizo dia tsy maintsy nafenina aingana tany anaty ba kiraro ny vola manjinika teny amin’ny tena fa raha vao henony misy mikorintsana any am-paosinao dia rahonany ianao ary tsy avelany raha tsy mividy mofo lasary na sambos sy Coca Cola mangatsiaka tery amin’ny epicerie andRajesosy tery Ambohijatovo Ambony.

Revo ery izahay nanonglilatsofina nihanoka sy nihaino ny resak’i Lemizo. Taty aoriana vao fantatray fa hay toraka bilao ny androa-tokon’ny zavatra notantarain’ilay tary belazao. Tontolo hafa tany anatin’ny nofinofiny no notantarainy taminay fa tsy izay tena nisy sy marina teo amin’ny fiainany. Nahagaga ahy tamin’izany fa raha vao nisy olondehibe, mopera ohatra, na bandy lehibe kely kokoa noho izy ohatra an’i Ratra teo dia nanjary lasa be tsy niteny tampoka. Lasa nipiripirina sy kaodikaody izany iledala. Nanjary votsa vava be izy sady niboredika rehefa miteny. Asa, mety mba matilolo koa angamba izy? Sa natahotra ny ho lazaina fa mpandainga?

Raha vao mivoaka avy nijery manesy tao amin’ny Lapan’ny Tovolahy izahay tamin’izany dia maika ery ny handeha hilalao bandy sy role eny amin’ny jaridainan’Andohalo. Samy mba nihevitra ny tenany ho Paul Newman sy Charles Bronson ary Robert Redford daholo ny kofiboay sady samy mba manonofy hitetitety an’izany Amerika tananan’ny fahalalahana sy ny rariny izany. Rio Grande, Dodge City, Minnesota, Chicago, Nevada, San Francisco. Tsy nisy tsy voaresakay ireny fa hafa ihany ny any Texas an! Samy te ho sheriff mahay milalao basy sady miaro ny rariny no miady ho an’ny hitsiny daholo.

Rehefa vita ny pan-pan sy ny gain-gain-maty-ialahy dia lasa aingana mamonjy an-dry Lemizo sy ny tariny mipetrapetraka sy miresadresaka tery amin’ilay tamboho kely ery amin’ilay arabe eo ambanin’ny Ecole des Freres eo Ambodin’Andohalo. Eo amin’ny Tafondron’Imarivolanitra, hoy ny fiantson’ny efa ela nihetezana an’io toerana io. Raha miondrika mijery ambany dia mahatazana tsara ny lemak’i Betsimitatatra iray manontolo sy ny akamaoran’ny ambany tanana na “bas quartier” eo. Raha mitraka mijery ambony kosa dia mahatsinjo ny “haute ville” misy an’i Manjakamiadana ilay lapa nitoeran’ny mpanjakan’i Madagasikara fahiny.

Teo izahay no nandinika sy namakafaka ny vontoanton’izay sarimihetsika vao avy nojerena no sady mibanjina ny fizotran’ny masoandro midina tsikelikely ery amin’ny faravodilanitra Andrefana ery. Ohatrany amin’ny faran’ny sarimihetsika western ireny.

“Ireny ry zalahy ny Far West malagasy an!” hoy i Lemizo manondro ny “bas quartiers” an’Antananarivo niparitaka manerana ilay dadasiky ny lemak’i Betsimitatatra misy nanoloana anay. Vao avy nijery “Le train sifflera trois fois” nisy an’i Garry Cooper sy i Grace Kelly izahay. “Iry Isotry! Iry Andavamana! Iry Andohatapenaka! Any amin’ireny “zone rouge” no ahitana ny fahalalahana farazokiny, fa any koa no manjaka ny didin’ny besandry sy ny gidragidra tena farak’izay mahatsiravina indrindra. ”

“Tena gidragidra be tokoa angaha eny ry Lemizo?” hoy ny iray taminay.

“Of course! Fa ialahy ve ahoana e?” Fomban’i Lemizo ny mampiditra izay teny Anglisy kely mba hainy rehefa miresaka aminay. Nitodika nijery an’iny faritr’i Bekiraro iny iledala. “Raha tsy fetsifetsy sy tsy mahay miarotena ialahy dia tsy ho tafavoaka velona mihitsy na handeha mbamin’ny lohan’ialahy aza! Izany no mahazo ny ambany saranga eto amintsika! Tsy mety tafavoaka mihitsy.”

“Izay ve no antony mahatonga an’i Lemizo hitogaigy ety amin’ny “haute ville” foana?” Tsy tadidiko hoe iza no nametraka ilay fanontaniana.

“Tany tsy misy lalana leitsy eny an!” Tsy novaliany ilay fanontaniana. Asa, tsy reny angamba, sa nodiany tsy re? “Samy manao izay fantany fotsiny. Tsy milay ilay rafitra misy e!” Dia nangina kely indray izy nieritreritra izay ho lazaina manaraka. “Tandremo kosa anefa an! Rehefa mety tsara ny atao ka mitsiky ny vintana dia lasa El Dorado ny eny an! Avy hatrany ialahy dia lasa ngetroka be, ka dia anjaran’ialahy indray ny manao tsindrihazolena. Samy manao izay ho afany fotsiny eny! ” Hitako somary nihamaloka ny endrik’ilay ranamana niteny an’io fehezanteny farany io.

Ireny resadresaka teny Ambodinandohalo ireny no nahafantarako tsikelikely ny fisainana sy ny fiainan’ilay bandy nihetraketraka taminay boaikely ka nefa dia mbola satrinay ho arahina foana. Ireny no nahalahalalako fa mpanasa lamba teny Ampefiloha sy teny Isoraka ny renin’i Lemizo efa hatry ny ela mihitsy. Mpitatitra entana ho an’ny mpivarotra ery amin’ny tsenan’Anosibe kosa ny rainy.

Tsy nampiasa kamiao na supergolety toy ny ankamoan’ny mpitatitra anefa ny dadan’i Lemizo fa irony fiara karetsaka na voatiry taritina soavaly irony (dilizansy no fiantsoany azy) no nampiasainy. Karakarainy fatratra ilay voatiry sy ny soavaly roa nitarika azy. Tena saropiaro be tamin’ireo soavaly izy ka tsy navelany ho kasihan’olonkafa mihitsy. Rehefa mamomamo mihaja avy miasa izy indraindray dia tantarainy amin’i Lemizo ny mba nofinoiny: Ny hipetraka ao anatina trano vita biriky tanimanga eny Andavamamba fa tsy daba sy fe-mbarika intsony. Ny hanana 3CV Citroen hitanterana entana fa efa somary antitra ireo soavaly.

“Malaheo sy manimanina an’i Texas aho izany ry zalahy an!” hoy i Lemizo indray hariva. Vao avy nijery an’i John Wayne sy i Jeffrey Hunter ary i Natalie Wood nilalao an’ny “La Prisonnière du désert” izahay dia nipetrapetraka toy ny mahazatra teny Imarivolanitra. Somary gaga ihany izahay.

“Fa angaha moa ialahy efa tany Texas?” hoy ny iray taminay.

“Tsy mbola tany aho ka!” Tsy taitra akory izy namaly. “Fa efa hitako amin’ny sinema sy vakiako amin’ny boky foana dia efa haiko tsara ny momba azy ka.” Nangina kely izy, nihoatroatra ny orony fa nisy moka nanaikitra angamba. Nony hitany fa nihaino azy daholo izahay teo dia notohizany ny resaka. “Fantatr’ialahy isany moa izany Dallas izany? Renivohitr’i Texas izany Dallas izany. Izany no tena tanana faran’ny goavana ry zalahy an! Sady mandroso any no milamina.” Nijanona kely indray izy, nibanjina ilay masoandro manomboka miletika ery akaikin’Ambohimanoa. “Raha vao mahita irika aho dia hifindra any, dia andefasako sariko mitaingina soavaly ialahy isany!” hoy izy sady nihomehy be nikakakaka. Dia mba nihomehy nikakakaka nanaraka azy koa izahay.

“Kaozy ve izany ry Lemizo?” Hoy aho nitsaingoka sady nanontany, nampidera fahaizana. “Tsy tany Dallas moa no maty i John Kennedy, ilay filoha Amerikana nisy nitifitra?”

“Exactly, my friend!” hoy izy tamin’ny teny anglisy. “Tsy vitan’ny hoe manana basy daholo ny olona any, fa raha vao tsy manirikiry azy ialahy dia tifiriny an! Kobon’ialahy isany moa fa ny ampitson’iny ihany dia maty nisy nitifitra indray ilay kaofiboay nitifitra an’i Kennedy! ” Nangina kely i Lemizo, somary nanala tainify tamin’ny lelany, dia avy eo nanohy. “Henjana, tena henjana zalahy izany Texas izany ry zandry a!”

“Tena henjana ohatra an’ny any Bekiraro ihany anie izany ry Lemizo e? Sa …?”

Tsy namaly i Lemizo. Izay fanontaniana tiany ho valiana ihany no valiany. Toa lasalasa any lavitra be any ny sainy.

Indray Alakamisy hariva izay, somary nadringa i Lemizo tonga teny amin’ny Lapan’ny Tovolahy. Nisy mangana koa ny sandriny sy ny tarehiny. Nanontany azy izahay fa tsy nety nilaza izay nanjo anazy izy. Tary namana sendra nandalo no nahafantaranay fa kay hono iledala io rehefa tsy ao ny papany, fa lasa misotrosotro any ambadika any dia mangalatra nijoky an’ilay soavaly mpitarika diligence. Fombany efa hatry ny ela io. Heveriny any Texas angamba izy ka lasa izy sy ilay soavaly nitsangatsangana manerana an’Andavamamba, tsy hay na hanenjika “hors-la-loi” any amin’ny 67 Ha na hanafika fiaran-dalamby ery amin’ny baravy eny Ampefiloha?

Nody tampoka ny dadan’i Lemizo tamin’io Alarobia hariva io ka tratra ambodiomby teny ambony soavaly iledala. Nampalahelo ilay akamakely. Efa somary mamomamo ihany hono ilay rangahy ka avy hatrany dia nidaroka sy nilako. Ilemizo koa kay rehefa miaraka aminay ihany no miseho ho mafy be fa matahotra fadiranovana ny rainy. Tsy hay izay nanaovan’ny rainy azy fa dia iny izy nandringa sy mangana iny no hitanay ny ampitson’iny teny amin’ny “La Haute”.

Tena tsy nazoto handeha hody mihitsy i Lemizo iny hariva iny, notaritariny lava be ny resaka momba an’ilay sarimihetsika “Rio Bravo” nolalaovin’i John Wayne sy i Dean Martin vao avy nojerena ary tsy navelany nody izahay raha tsy efa alina be. Tamin’ny fito sy sasany angamba aho vao tonga tany an-trano. Efa nintaintaina be ry Neny tao antrano. Bedy be aho tamin’izay. Nolazaiko an’i Neny fa voatery nijanona niresaka niaraka tamin’i Lemizo aho.

“Fa iza kay izany Lemizo izany?” hoy i Neny efa tezitry ny hasorenana. Mikitakita be fitiavana.

“Ilay bandy namanay iny e” hoy aho. “Ilay bandy nifanena tamintsika sy i Neny tany Ambanidia tao amin-dry Ratra e! “

“Namanao angaha izy iny? Ohatry ny hafahafa izany ny paoziny an! Miaraka mianatra aminareo koa izany i Lemizo?”

“Toa tsy mianatra izay ka” hoy aho. “Tsy fantatro izay tena ataony fa bandy mahafinaritra izy. Miaraka mijery cinema izahay dia avy eo miresandresaka. Izay fotsiny!”

“Tsy mianatra tokoa ve?” Sadikatra be i Neny. “Sao dia tsy mety kosa izany? Sao dia tsy tokony mifanerasera amin’izany olona tsy mianatra izany ianao. Sao dia mba mampaditra anao?”

“Hampaditra ahy ahoana ary …?” Tena fanina aho.

“Saika tsy hiteny aho fa ohatry ny jiolahimboto be ny paoziny, ry Lolo an!” hoy i Neny. Tena tiako sady mamiko ny reniko fa tamin’izay kosa dia sady nalahelo no tezitra taminy aho. Nijery azy aho dia hitako taratra teny amin’ny endriny daholo ny tsy rariny, ny fisaratsarahana, ny fanavakavahana, ny haingitrangitra, ny fihatsarambelatsiny nisy teo amin’ny fiarahamonina malagasy.

Nandeha natory tsy nisakafo aho fa nidongy. Tezitra be tamin’i Neny. Tezitra tamin’ny Lemizo. Tezitra tamin’ny fiarahamonina malagasy.

“Raha vao mahita irika aho dia hiala eto!” hoy ny eritreritro lagy ka nanjary naditra. “Raha vao misy fika dia hifindra ho any Texas koa aho! Any angamba tsy misy izany tsy rariny izany, tsy misy izany fisaratsarahana, na fanavakavahana, na haingitrangitra, na fihatsarambelatsiny izany. Raha vao misy irika dia lasa ho any Zamerika aho!”

Mba vava tsy rambina sy fitenin-jazakely ihany ireo nataoko ireo. Zaza hendry sady tsara taiza aho. Nanaja olon-dehibe. Nanao hatrany izay notenenin’i Neny. Taorianan’iny fifamalianay mianaka iny ary dia somary nihataka kely aho ka tsy dia nifanerasera firy tamin’i Lemizo loatra intsony. Tsy dia nandeha nijery cinema matetika loatra intsony.

Tany amin’ny taona 1971 tany, afaka fanadinana CEPE/6eme aho ka tafiditra soa amantsara tao amn’ny Lycee Galieni. Mbola hitako matetika teny Andohalo teny ihany i Lemizo tamin’izany fa tsy dia niresaka loatra izahay mirahalahy. Dia nisy fotoana izy hitako mitarika andiam-bazaha mpizahatany mamangy an’Anatirova. Hay ileiry tena lasa “guide touristique”. Variana fotsiny aho raha naheno an’i Lemizo ilay tary akamako taloha avy eny ambany tanana niteny anglisy toa ireny bekintana ireny.

Tamin’ ny taona 1972, nitraotra ny ambany saranga tsy nanaiky ny tsindrin’ny ambony. Nikorontana ambony ambany ny teto Vohitsara. Nihenjana ny fitondrampanjakana. Tsy dia mba niditra fifanjevoana loatra aho, fa avy teny Ambohijatovo Ambony no nitazana izay zavatra nitranga teny Analakely. Indraindray rehefa sahisahy dia mitsoriaka midina eny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo. Tamin’izay no nahitako an’i Lemizo farany. Nanangona vatokely tany anaty harona tao Ambohijatovo izy. Sendra nifanojo ny masonay mirahalahy dia mifampikopaka. Nifampitsiky izahay fa tsy nifampiresaka. Avy teo dia lasa izy sy ny vatokeliny niverina nidina nankeny Anjoma, izaho kosa niakatra nody teny Ambohijatovo Ambony. Tsy nifanefa intsony izahay roalahy taorian’ireny rotaka tamin’ny 1972.

Betsaka ny feo sy honohono henoko momba an’i Lemizo taty aoriana. Nisy nilaza tamiko fa anisan’irony mpanentana tery amin’ny Avenue de l’Independance teny Analakely ireny hono izy. Dia toa hoe isan’ny voasambotra ka nalefa tany Nosilava tamin’ny 13 mey. Nisy olona hafa koa anefa nitantara fa nahita an’i Lemizo voatifitra ka lavon’ny balan’ny basimarovava jiosin-dry Zimbo sy ny FRS. Dia hoe maty teo Analakely izy tamin’ny 13 mey 1972. Dia mbola misy hafa koa anefa milaza fa nentin’izany ramatoa vazaha mainty hoditra mpiasan’ny NASA teny Imeritsiantosika izany nankany Amerika hono i Lemizo. Dia toa hoe nanaraka fiofanana manokana momba ny fizahantany ka any Dallas renivohitry Texas hono izy izao no mipetraka.Izaho aloha mbola tsy nahazo an’ilay carte postale nampanantenainy an!

Izay sy izay ry zareo no azoko ambara momba an’iny hiran’i Lemizo iny. Bandy tena nisy iledala saingy tena tsy fantatro izay tena niafarany. Malahelo ihany aho, mba bandy akama ihany izy, kanefa atao ahoana moa fa izay izany no fandehany. Rehefa tena mandinika anefa aho dia tsapako fa tsy tena lasa lavitra loatra iledala satria efa misy Lemizo kely daholo any anatintsika tsirairay any. Misy an’i Lemizo, ilay bandy mihetraketraka amin’ny kely noho izy. Misy an’i Lemizo mandefindefitra sy mipiripirina rehefa misy lehibe na matanjaka noho izy eo. Misy an’ilay Lemizo manonofy atoandro, na fantany aza fa tsy ho tanteraka avokoa ny nofiny. Ary ilay Lemizo manana vina sy manantena ka mikezaka hanantanteraka izany vina izany.

Ary na tsy tena nisy akory aza moa i Lemizo fa noforoniko sy nonofisiko fotsiny, inona ny olana? Efa ho efapolo-taona izay isika no niaraka nivazo ny hirany. Iledala sy ny Texas nofinofisiny toa tsy niova mba mbola eo ihany hatram’izao. Efa samy Lemizo daholo mantsy isika ary samy manana ny Texas nofinofisintsika.

Fa i Lemizo mihitsy ve no tsy tontan’ny ela sa isika mihitsy no tsy mihetsika?

Sign up to discover human stories that deepen your understanding of the world.

Free

Distraction-free reading. No ads.

Organize your knowledge with lists and highlights.

Tell your story. Find your audience.

Membership

Read member-only stories

Support writers you read most

Earn money for your writing

Listen to audio narrations

Read offline with the Medium app

--

--

sakaizan-gitara
sakaizan-gitara

Published in sakaizan-gitara

asasoratra mikasika na miainga amin'ny vazon'i Lolo sy ny tariny

Soamiely
Soamiely

Written by Soamiely

Favorite Palindrome: Was it a car or a cat I saw?

No responses yet

Write a response