Ilay fifamaliana tetsy amin’ny Rue Kasanga, Tsimbazaza

Soamiely
5 min readSep 25, 2024

--

Tetsy amin’ilay sakelidalan’ny Lalana Fernand (izay matetika disoan’ny olona hoe Ferdinand) Kasanga tetsy Tsimbazaza no nitranga ny faran' ity tantara mbola tsy notantaraiko taminareo ity. Ny faran’ilay tantara no mbola tsy notantaraiko fa tsy ilay tantara manontolo akory. Tsy zoviana amintsika intsony raha ingahy Fernand Kasanga (1890–1962), ilay mpampianatra mpikaroka farak’izay ikoizana, indrindra amin’ny lafiny mahakasika ny tantaranʹny Antemoro Anakara teto Imerina taminʹny andronʹAndrianampoinimerina sy Ilaidama.

Tsy fantatro loatra ny tena ora marina niafaran’ilay tantara satria raha ny fahatadidiavako azy dia efa tsy teny an-tanako intsony ilay famantaranandro Seiko quartz nanaovako tany amin’ny famerenan-kira nampifamaly anay sy i Mahazonoro ilay sipako, omaly hariva. Tsy ilay famerenan-kira akory no nampifanditra anay fa ilay famantaranandro mahatanty rano sy mazava alina nisalorako. Antemoro avy any Vatomasina-Vohipeno vakin’i Matitanana toy ireo Anakara tandapa tantarain-dRamose Fernand Kasanga fa nanolo-tsaina an’i Nampoina sy Ilaidama tamin’ny fotoan-androny, ilay sipakeliko. Izany hoe vehivavy Sud Est 100% iringiriny na dia tsy Antesaka, na Antefasy aza. Tandrineso fa malaza ho tsara tarehy sy bikaina kanefa masiaka sy sarotsarotiny ny ampela any amin’ iny ilantany Sud Est an’i Madagasikara iny.

Somary gaga ihany i Mahazonoro raha nolazain’i Benja fa an’i Raivo zandriny hono ilay famantaranandro nanaovako fa tsy anahy. Zandrin’i Benja ilay tovolahy Zafisoro nitarika ny amboarampeo nisy anay i Raivo fa tsy zandrin’i Mahazonoro ilay sipa niady tamiko omaly hariva akory. Andro Zoma (al-jum-ah, hoy ny mosalimo mahometiana naman’ireo dimbaka fito lahy avy tany Vohipeno nanome sopapa ny fara-zokin’ny laibany teto Imerina tamin’ny taonjato faha-18) omaly raha tsy diso aho.

Dia avy dia nanontany ahy izy (i Mahazonoro io) hoe fa ahoana koa hono no fomba nahazahoako ny famantaranandron’i Raivo. Dia novaliako ampahatsorana izy fa tsy an’i Raivo izany ilay famantaranandro nisalorako fa nampindramin’i Rolf, ilay kofiboay Tagnala avy any Ikongo, ahy. Saika tsy hanome i Rolf fa niangavy mafy aho ary nazavaiko taminy fa tena mila famantaranandro mahatanty rano satria nila nikotrana zato metatra tsipisandry sy roanjato metatra savarano ery amin’ny dobo filomanosana olimpika ery Ampefiloha. Mikasa ny hanamontsana ny zava-bita tsara indrindra an’i Tsaratsiry Vincent, ilay mpilomano ikoizana avy any Mananjary aho.

Mbola saika hanohy ny fanazavako aho, saingy notapahin’i Kala Mahazonoro ny teniko.

“Fa angaha ianao miresaka be amin’iny vehivavy iny ?” hoy izy tamin’ny feo mivatambatana sy masiaka. Avy tany ampamerenankira tsara izahay, araky ny efa nambarako tetsy ambony.

“Tsy an’i Raivo izany ilay montre ka,” hoy ny valiteniko. Raha mahafantatra an’i Mahazonoro ianareo dia hahatsapa avy hatrany raha vao maheno ny fomba fametrahny ilay fanontaniana fa tsy azoazony loatra i Raivo, ilay zandrin’i Benja, ilay mipetraka ao Ankadivato (i Raivo io fa tsy i Benja). Tsy azoazony ilay olona resahina matoa izy miantso azy hoe ”iny vehivavy iny”. Tsy haiko fa avy hatrany aho dia nivonona hiarotena. “Fa maninona ary ianao no tonga dia mieritreritra fa nanao zavatra ratsy na tsy mety aho?”

“Manontany fotsiny anie aho, fa ianao no ohatry ny tonga dia mahimahina e!” hoy izy nisafoaka tampoka ka nampiakatra ny feony 10 decibels angamba.

“Drry,” mba nisafoaka koa aho ka nampiakatra ny feoko 20 decibels. “Fa inona ity mahazo anao e? Toa mora miakapofona sy mitratrevatreva be? Ohatr’ireny inona ireny!”

“Ka ianao tsinona ohatry ny tonga dia lasa kaodikaody be sy avivay izany raha vao mba anontaniana kah!” Vao mainka nampiaka-peo sy nisendoatra be ny anao.

“Izay mihitsy ianao izay!” hoy aho. “Kizitina manirikiry tsss …”

“Iza no lazainao ho kizitina? Izaho indray mantsy no manirikiry an!” hoy ny vazavazan’ilay sipa masiaka sy mafana ra. Kizitina hono ny sipan’ny Sud Est e! Tsy hariny intsony angamba ka hoy izy hoe: “Shh! Lasa aho fa eo ianao!” Dia iny tokoa izy fa lasa nandeha, tsy haiko na nianatsimo na niatsinanana na koa nidingindrambo tany amin’ny Sud Est tany. Dia navelako nandeha tany fa ohatry ny nitady hanome lagy sy ho mafy loha. Avo loatra ny morale-n’iny vehivavy iny. Izaho koa bandy kaofiboay be mokon-doha na dia zanaka tsalo aza ka!

Izay raha tsotsorina ilay nampifanolana anay sy i Mahazonoro omaly tetsy amin’ilay sakelidalana tetsy amin’ny Lalana Fernand (fa tsy Ferdinand) Kasanga tetsy Tsimbazaza (alohan’ny fidirana mankany amin’ny Akademia Malagasy) iny e! Ny olana dia izao: Tsy mba nanana akama mpanolotsaina Anakara azo atokisana toa an’Andrianampoinimerina (ilay dimbaka avy any Kaloy) sy Ilaidama aho, hany ka taitaitra amin’ny zavatra tsisy dikany. Izay no saika nahatapitra ny tantaranay sy ilay sipa Antemoro-Anakara manjakely avy any amin’ny Sud-Est.

Efa notantaraiko anareo ihany ny tantaran’ilay famantaranandro mazava alina sy mahatanty rano fa asa raha tadidinareo. Tsy haiko loatra izay niafarany fa efa nisangaojy be ihany ny lohako, (niafaran’ilay famantaranandro fa tsy ny niafaran’i Mahazonoro) raha ny marina. Ny tsaroako dia efa tsy tety an-tanako intsony ilay izy tamin’izahay nifamaly iny. Raha tsy diso aho dia nomeko an’i Benja ilay izy, ho averiny any amin’i Raivo zandriny, izay mba iangaviana hanatitra azy any amin’i Rolf, ilay tena tompony. Asa anefa aloha izay fandehanjavatra tany a!

Ny harivan’iny tranga iny ihany, dia nihaona sy niresaka tamin’i Tsily, bandy akama avy eny Ambohipo, aho. Notendreko ankamehana ho mpanolontsaina manokana (conseiller special) amin’izay lafinjavatra mahakasika an’i Mahazonoro ileiry.

“Zavatra tsy misy dikany ohatr’ireny ve dia atao hampiady,” hoy i Tsily tamiko. “Mila madefitra ihany ialahy fa ho donainan’ny botokely hafa any iny sipa Sud Est, Sud Est tian’ialahy iny rehefa tsy hain’ialahy ny mitazona azy tsara.”

“Marina loatra izany Rainitsily ań!” hoy ny valiteniko. “Tano ny azo fa sarotra ny mila, sa ahoana? Dia asa tokoa izay hiafaran’ity tantara ity raha lasa mipitsika i Mahazonoro. Ho toy ny Tagnala very sampy ve aho …?”

“ … ka ny manova no mety ve?” hoy i Tsily somary gagagaga.

“Huh?” Mba sadaikatra koa aho.

“Tagnala very sampy ka ny manova no mety. Tsy izay angaha moa ilay ohabolana? ”

“Tsia ka! Tsy izay loatra no tiako lazaina ka!” hoy aho, vasoka sady menatra. “Noheveriko fa hoe tanala very sampy ka very fanahy mbola velona, na zavatra ohatr’izany. Tsy izany mihitsy ka!”

“Ialahy marina no tena tsy marina,” hoy nedala nihomehy. “Very fanahy mbola velona toy ny valala voatango, no izy. Mba fantaro tsara aloha ny ohabolana ampiasainareo fa manjary manahirana e!”

Manjary manahirana tokoa. Teo aho vao tonga saina ka nihazakazaka niantso an’i Mahazonoro tamin’ny finday. Dia nifanazava izahay — nolazaiko taminy fa efa naveriko tany amin’i Rolf ilay famantaranandro. Efa niombona ary efa nifam-pody soa amantsara indray izao izahay sy ilay sipa avy ao Vatomasina-Vohipeno (fa tsy ilay mipetraka ao Ankadivato).

Ao Ankadivato ao akaikin’ny fiangonana EKAR katolika ao hono ny fasan’Andriamahazonoro sy Ratsilikana, ireo Anakara anisan’ireo Antemoro fito mirahalahy mianaka avy any Vohipeno nanolotsaina sy nampianatra an’Ilaidama Sorabe ka nokilasiany (nokilasian-dRadama io) ho Andriamasinavalona. Nanambady an-dRafaravavy vehivavy Andriandanando Andriamahazonoro dia niteraka telo (Raharolahy, Ramary ary Ramanantenasoa), avy eo dia matin’ny tangena. Mbola miriaria eto Vohitsara sy any Vohipeno ny taranany — izay malaza amin’ny fananana talenta eo amin’ny lafiny hira sy mozika.

Tsy niteraka kosa Ratsilikana.

Mbola mandehandeha any koa i Tsily ilay conseiller technique-ko. Mitady sipan’ny le grand Sud Est inedala, ka mandalondalo matetika iny faritra Fito Vinany, vakin’i Matitanana iny — tonga hatrany Manakara — sao dia sendra ny sampy tandrify azy.

Fernand Kasanga ilay taranak’Andriaamahazonoro kosa dia nodimandry ny 23 Jolly 1962, nony avy lasa mpikambana mpifandray tao amin’ny Akademia Malagasy sy Ben’ny Tanana tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Vatomasina-Vohipeno, faritr’i Fitovinany.

Efa milamina tsara izao ny tany. Mandry fehizay. Somambisamby ihany.

Sign up to discover human stories that deepen your understanding of the world.

Free

Distraction-free reading. No ads.

Organize your knowledge with lists and highlights.

Tell your story. Find your audience.

Membership

Read member-only stories

Support writers you read most

Earn money for your writing

Listen to audio narrations

Read offline with the Medium app

--

--

Soamiely
Soamiely

Written by Soamiely

Favorite Palindrome: Was it a car or a cat I saw?

No responses yet

Write a response