Tao an-tampon-tananan’Ambohimidegany, vakipileovan’i Bevinany, faritanin’i Tadidegahy, no niseho ity tranga hafahafa tianko-taterina aminareo eto ity. Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Rabory Bekabary, hono nivahiny tao, sendra niserana. Dia toa hoe nosamborin’ny polisy na ny zandary — tsy mazava tsara ny tatitra voarainay hatreto — Rabory indray maraina iray noho ny heloka tsy fantany nefa voalaza fa nataony.
“Miala tsiny, ry kapiteny,” hoy Rabory niezaka ho tony dia tony na dia nikoropaka ihany aza. “Miala salohy fito. Manao azafady aminao aho fa inona tsara hoe ny antony nisamboranareo ahy?”
Dia namaly hono ilay kapiteny, lehilahy botrabotra sy lava volombava be, nitarika ireo andia-miaramila nisambotra azy, ka nivantambatana nanao hoe: “Nosamborinay ianao noho ny tsy fahafantaranao ny antony nisamboranay anao”.
“Ahoana tsara hoe!” hoy Rabory, somary fanina nandre izany valin-teny izany. “Ahoana no hisamboranareo ahy raha tsy fantatro akory ny antony nisamboranareo ahy? Toy ny hoe voasazy aho satria tsy nahafantatra ny valin’ny fanontaniana tsy mbola napetraka tamiko akory!”
“Ah, ah, ah!” hoy ilay kapiteny, “Hitanao! Eto aminay eto Ambohimidegany, dia arahina ara-bakiteny ny hoe Ignorantia juris non excusat, araky ny teny latina. Ary ianao, ry sakaiza, dia meloka araka izany fiampangana izany.”
“Igno-inona? Tsy azoko ilay teny latina, mon kapiteny! Asa raha azonao velabelarina kely.”
“Lalàna iray izy io izay milaza fa tsy azo atao ho irika handikana ny lalàna na ho fialana-bala mihitsy ny tsy fahalalana ny lalàna. Izany hoe tompon’andraikitra amin’ny fahalalana sy ny fankatoavana ny lalàna rehetra ianao, na dia tsy fantatrao aza hoe inona izany.”
“Tsy mitombina mihitsy anie izany e! Ahoana no hahafantarako ny lalàna rehetra? An’arivony anie izany e! Ary miova foana. Ary ny sasany amin’ireny aza dia mifanohitra na manjavozavo. Ahoana no fomba ahafahan’ny olona iray mahafantatra ny lalàna rehetra?”
“Olanao izany fa tsy probleme-ko. Ny lalàna dia ny lalàna. Ary nandika izany ianao ka nosamborinay,” hoy ny fibetrok’ilay kapiteny
“Fa lalàna inona ary anefa no nodikako e?” hoy Rabory.
“Nandika fady hono ianao,” hoy ilay kapiteny namaly. Nanomboka teto dia somary nikorontana be ihany ny tatitra azonay.
“Fady? Mitovy angaha ny lalana sy ny fady? Fa inona tsara moa ilay atao hoe fady?” hoy Rabory nampiaka-peo.
Nisento ilay kapiteny nandre iretsy fanontaniana. “Tsy fantatrao ny atao hoe fady? Ary vao nanontany ahy momba ny fady ianao? Fandikan-dalàna hafa koa indray izany nataonao izany! Tandremo fa vao mainka milentika anatin’ny lavaka lalina ianao, ry sakaiza.”
“Azafady? Ataovy serieux moa e!”
“Tsy fantatrao angaha fa tsy azo atao fa fandikan-dalàna ny mametraka fanontaniana mahakasika ny fady?”
“Fa ahoana no tsy azo atao ny manontany momba ny fady raha tsy fantatro akory hoe inona no atao hoe fady?” hoy Rabory, nihodinkodina mila hitresaka ny lohany.
Nihevotrevotra kely ilay kapiteny. “Izay no maha-Ambohimidegany an-Ambohimidegany, ry sakaiza! Fady aminay ety ny mampetraka fanontaniana momba ny fady. Un point c’est tout, deux points c’est trop, trois points de suspension …” Tena izany mihitsy no nambarany, araky ny tatitra voarainay.
Nibanjina an’ilay kapiteny Rabory, very hevitra tanteraka. “Fa ahoana no hahafantarako fa fady ny manontany ny fady raha tsy nisy niteny tamiko …,” hoy izy, saika mbola hanohy hiady varotra sy hiady hevitra.
“Aleo borke-na ilay resaka fa manjary taraiky be isika, efa mitatao vovonana ny andro,” hoy ilay kapiteny nanapaka ny teniny sady nitarika azy tanatin’ilay fiara Toyota pick-up misy jiro mena efa niandry azy teo akaiky teo. ”Efa miandry anao ny trano maizina azonao hakana saina tsara.”
Tsy nahita ho avaly intsony Rabory. “Efa trop sady degany be ilay resaka,” hoy izy an’eritreritra.
Araky ny tatitra tonga eto am-pelatananay, dia nentina ka naterina tany am-ponja Rabory Bekabary. Natolotra ny fampanoavana. Ary voampanga ho nanao heloka bevava efatra: ny tsy fahafantarany ny lalàna nodikainy, ny tsy fahalalany ny antony nisamborana azy, ny fandikany ny fady izay tsy fantany akory fa nisy, ary ny fametrahany fanontaniana momba ny fady. Tsy mbola fantatra ny sazy ho efainy fa mbola miandry ny didim-pitsarana.
Sombin-tranga iray tanatin’ny tranga maro miseho isan’andro eto Ambohimidegany izay notanterina ho anao izay. Tsy mahalala ny lalàna ianao, voasambotra, mametraka fanontaniana ianao fa te hahalala ny lalàna, voasambotra ihany koa.
Soava tompokolahy, finareta tompokovavy, masina ry Ambohimidegany.